Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h16
 

Malagasy

Faritra Analamanga

Tsy resaka tetezamita intsony

jeudi 24 avril 2008 | Volana R.

« Asa fa tsy kabary ». Nazava ny fanamarihana nataon’ny loholona Rajemison Rakotomaharo, tamin’ny fanokafana ny fivoriana voalohan’ny Filankeviparitra Analamanga, omaly : « tsy rafitra tetezamita intsony io rafitra io, satria rafitra feno, voafidy araka ny Lalàmpanorenana manan-kery ».

Telo andro no haharetan’ny fihaonana, hifidianana ireo mpikambana efatra (filoha, filoha lefitra ary mpampakateny roa), ny Fitsipika anatiny ary handrafetana ny vaomiera isan-tokony. 14 ireo mpanolotsaim-paritra voafidy ato amin’ny Faritra ka ny roa dia nilatsaka tamin’ny tsy miankina. 19 kosa ny isan’ny solombavambahoaka, mpikambana ho azy ao anatin’ny Filankevitra ary manan-jo hanapa-kevitra. Tsy toy izay kosa ny loholona (iray) izay, na dia mpikambana aza, dia tsy afaka ny hanapa-kevitra. Ny anjara asany eo anivon’ny faritra dia ny fiahiana azy.

« Azon’ny rehetra atrehana ny fivoriana, hoy ny fanamarihan’ny Lehiben’ny Faritra, Rakotomalala Fidy. Indroa isan-taona ny fivoriana ara-potoana ».

Na izany aza anefa, dia mbola miandry ny fepetra avy any amin’ny ministeran’ny Fanapariaham-pahefana vao mety ho fantatra ny tetibolan’ny Faritra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS