Mitobaka etsy sy eroa ny vola avy amin’ny filoha Ravalomanana entina hiadiana amin’ny fahantrana. Porofo iray, fa eo ny finiavana hanao zavatra eto amin’ny firenena fa anjaran’ireo nomena andraikitra sisa no manatanteraka ny asa eny anivon’ny vahoaka.
Voaresaka matetika ny sakafo sy ny fitaterana, izay nidiran’ny filoha manokana ny aro riaka entina hiatrehana ny mety ho fidangan’ny vidim-piainana. Zava-dehibe izany, ary tsy hidirana lalina aloha anio izay orinasa sy koperativa mety ahazo tombony manokana amin’izany, fa ny hadino dia ny tontolon’ny fahasalamana sy ny fampianarana.
Ny fampianarana efa eo ny fizarana fitaovana ho an’ny mpianatra madinika, fa ny ain-dehiben’ny
fiainana no toa tsy voaresaka firy. Inona no fepetra manokana raisin’ny fanjakana manoloana ny sehatry ny fahasalamana ? Tsy misy olona izay tsy mitaraina manolona ny fitsaboana eto amintsika. Raisina ohatra amin’io ny eny amin’ny Hopitalim-bahoaka. Ny fanafody izay midangana, ary tsy maintsy vidiana io. Ny olona sahirana tsy mba afaka mividy itony fanafody itony, dia alefa mody avy hatrany. Tsy mitoetra intsony ilay fiteny mamy manao hoe izay marary andrianina. Miainga any amin’ny toetran’ny mpitsabo, dia hita fa tsy mahatamana ny marary ny fihetsiky ny sasany. Voatombana ambony ambany ny marary, ka raha vao olona manan-katao, dia voatambitamby. Nahoana no tsy mba asiana aro riaka ihany koa ny eny amin’itony toeram-pitsaboana itony ? Ho gaga ve isika raha maro ny manao dokotera tena, satria tsy mahatakatra ny vidin’ny fanafody ka ny tapa-kazo sisa no hany fanantenana ahavelona ny tena. Mino isika fa ho tafa-paka any amin’ireo tompon’andraikitra voalohany misahana ny fahasalamana izao, ary hidina ifotony ahita ny tena marina izy ireny.