Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 14h30
 

Malagasy

Filaharana tao Fianarantsoa

Tsy nanaiky lembenana ny katolika

jeudi 7 juin 2007 | Naivo kely

Nitroatra tamin’ny hatezerany ny katolika, ka raikitra ny filaharana an-dàlambe omaly tao Fianarantsoa, izay nandraisan’ny mpianatra anjara ho fanehoana ny tsy fahafaliany. Sora-baventy isan-karazany no nirenty nandritra ny filaharana, izay mitaky ny tsy tokony handroahana mompera hiala eto, teo ihany koa ny fitakiana ny tokony hanajan’ny fanjakana ny soa toavina malagasy. Voahosihosy ny fomba amam-panao Katolika ka mora resy lahatra ny mpianatra teo anivon’ity finoana ity, ary dia nirohotra avokoa ny mpianatra tsy miankina rehetra tao Fianarantsoa niampy ireo mpianatry ny Oniversite tao Andrainjato, saingy noravan’ny mpitandro ny filaminana io filaharana io.

Mbola hitohy ?

Niantso fifampidinihana haingana ny mpitondra tao an-toerana, saingy raha ny tsilian-tsofina heno farany alina dia hitohy anio ny filaharana ka hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny hetsika. Mifamahofaho anefa ny tetika hatreto, satria ao no milaza fa hiainga eo anoloan’ny Magro ny filaharana, ary misy kosa no tsy nanaiky io fa eo anoloan’ny kaominina no hanaovana izany ka hiazo ny làlam-be isan-karazany any an-toerana. Ny mampametram-panontaniana ny rehetra dia ny hoe misy hifandraisany amin’ny fahitana rezervista maro tany andro vitsy lasa ve izao zava-mitranga izao ? Toa miray hina ihany koa ny mpianatra amin’ny finoana maro samy hafa, izay midika inona ? Hatreto aloha dia tsy manaiky lembenana ny katolika manoloana ny fisehoan-javatra nahazo ity finoana ity tao ho ao, ka hinoana fa tsy hisy hanam-pitsofina intsony ny rehetra, sao ity trambo mandady ity no hivadika hamono ny fitondrana.

Aiza ireo raiaman-dreny ao an-tanàna ?

Samy variana amin’izay mahavariana azy tokoa angamba ny mpiahy tao an-tanàna, fa toa misy hifandraisaina avokoa ny olana any . Ny antony dia mbola maro ireo tsy faly tamin’ilay fisamborana ilay mpimasy sy ny namany tany Vohipeno niaraka tamin’ny « sorabe » izay teo amin’ity olona ity, kanefa dia izao miseho izao indray ny olana momba ny resaka fitakiana ny ataon’ny mpianatra . Raha ny vaovao voaray dia mitohy tsy miato ny fivorian’ireto voalaza farany mba handaminana ny raharaha, ary omaly alarobia aza dia saika nafampana ihany ny ady hevitra, ka zary nisy naha-voatonona ny foko merina ho mpanimbazimba mihitsy. Ny anio no ahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS