Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 12h09
 

Malagasy

Omby vavy be ronono

Tsy nahitana tombony, dia ho avy indray ny osy

lundi 7 janvier 2008 |  749 visites  | Naivo kely

Mifantoka any amin’ilay fanafarana osy 3 500 avy atsy Australia indray ny sain’ny mpitazana, izay hanome taranaka tsara ny osy izay efa misy eto, ary koa ny volony atao tapis sy ny ronono azo avy aminy. Tsy maha-taitra ny maro io osy io, satria niarahan’ny rehetra nahita ny fanafarana ireo omby vavy be ronono taona maro lasa izay, ka nambara fa hitondra tombony ho antsika io na lafiny ronono na ihany koa ny henany sy ny taranany. Tsy mbola nandre ny maro fa nigoka tombony be tamin’io ireo niompy izany omby vavy be ronono izany. Ny ronono sy ny fromazy aza no niakatra indray ny vidiny raha nantenaina fa hidina, satria mitobaka ny ronono. Ny vola vahiny koa dia mivoaka rehefa manafatra entana tahaka izao, ka iza no tena higoka ny tombony amin’io osy maro be nafarana avy any ivelany io ? Ny fanontaniana ihany koa dia ny mety ho vidin’ireo osy ireo, ary volan’iza no nanafarana azy ?

Manantena isika fa hisy fanazavana mikasika io ho entin’ny eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena ary ny Fiompiana mba tsy aha-tompon-trano mihono ny vahoaka, ary hambara ny tombony azon’ny fanjakana Malagasy tamin’ny fanafarana ireny omby vavy be ronono ireny. Soa aloha fa mora velomina ny osy fa tsy tahaky ny omby vavy be ronono ny vidin’ny sakafo ho haniny izay tena midangana be tokoa, ka mba ahita rirany amin’io ny piompy izay ahazo azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS