Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h14
 

Malagasy

Andrim-panjakana mpanao lalàna

Tsy nahafa-po ny maro ny fomba fiasa

lundi 4 juin 2007 | Naivo kely

Raha ny tokony ho izy ary mba tsy handikana ny lalampanorenana, dia ity taona ity no tokony ho tapitra ny fe-potoana hiasan’ireo andrim-panjakana roa mpanao lalana eto, dia ny antenimieram-pirenana, sy ny antenimieran-doholona izany. Mazava fa tokony hirosoana dien’izao ny fifidianana hiakaran’ny mpandimby toerana, ary raha ny etsy amin’ny Senat aza dia efa fanalavam-potoana sisa ataon’ireo loholona ao. Miteraka resa-be ny momba ireto andrim-panjakana roa ireto, dia eo aloha ny daty hanaovana ny fifidianana manaraka, ary iza marina no hifidy azy ireo raha tsy hiresaka afa-tsy ny Senat isika. Ny Praiministra lehiben’ny Governemanta farany teo teny Tsimbazaza dia nilaza fa eo ampandinihina ny fomba hanaovana izany ny fitondrana ankehitriny. Madram-piandry izany, dia manohy ny asany aloha ny depiote sy ny loholona.

Valin-kasasarana

Rehefa mitohy ny asa dia mitohy tahaka izany koa ny karama sy ny tambiny isan-karazany, izay vola miala ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana avokoa. Maro anefa no nanambara fa tsy dia afa-po tamin’ny fomba fiasan’ireny olom-boafidy sy nomena toerana ireny ny vahoaka any ambany volo rehetra any. Ny depiote indray mandeha ao anatin’ny telo taona vao mba mandalo tamin’ny faritra iray nanaovany fampilezan-kevitra nahalany azy. Ireo toky maro samy hafa dia nanjavona avokoa ka zary kamboty tsy satry ny olona manoloana izany. Toy izany koa ny momba iretsy loholona sasany, izay tsy fantatra intsony ny fisiany raha tsy ankatoky ny fifidianana maro samy hafa mambabo ny fon’ny mpifidy indray.

Mpananga-tanana

Any amin’ny ady hevitra hifanatrehan’ny Governemanta sy ny depiote na loholona vao mba hita ny sasany. Mazana dia mpananga-tanana fotsiny no ataon’ireny olom-boafidy ireny fa tsy mba manan-kevitra hambara, ekena fa misy ny vondrona Parlemantera mitondra ny feon’ny mpiray donak’afo saingy ny olona isam-paritra tsy mitovy avokoa ka zary ho entin’ireo mpitondra teny isan’isany. Hifidy tsy ho ela ny vahoaka, koa iza amin’ireo no mbola ho mamim-bahoaka hiaka-dapa indray ? Ho hita eo fa ny maika aloha izao, dia ny ahafantarana ny daty mazava hirosoana amin’ireo fifidianana ireo, ary koa ny hirosoana amin’ny fanitsiana ny lalam-pifidianana izay maro no mitaky izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS