Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 21h12
 

Malagasy

Fametraham-pialan’ny minisitra

Tsy mpiasan’ny TGV ny fanjakana

mercredi 21 janvier 2009 | Naivo kely

Tonga ny ora nangatahan’ny mpitarika ny TGV teny Ambohijatovo, amin’ny tokony hametraham-pialan’ny minisitra roa ao anaty governemanta. “Tsy hiala izahay”, hoy iretsy farany, ary isan’ny nanambara io ny minisitry ny Vola, Hajaniriana Razafinjatovo.

Aorian’ny tsy fahombiazan’ny fitakian’i Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanara-dia azy, dia hisy ny fepetra ho raisin’ireto farany, saingy mbola tsy fantatra izay ho ataon’izy ireo amin’izany. Mbola fitakiana hilaina valiny hatramin’ny sabotsy izao ihany koa ny fanokafana ny fahitalavitra VIVA, nefa iny niarahana nahita iny ny fandraofan’ny fanjakana ny fitaovana mampiodina ity fahitalavitra ity teny Ambohimitsimbina ny alahady lasa teo. Ny radio VIVA aza nahazo fampitandremana indray ny alatsinainy lasa teo, satria hambara ho mitarika ny olona hanao fanonganam-panjakana.

Raha ireo fitakiana ireo ny atao indray mitopy maso, dia tsy mpiasan’ny TGV ny fanjakana, ka hanaiky izay baiko hampanaovina azy. Manana ny fiandrianany ny fanjakana, ary efa nohamafisin’ny fanjakana hatrany, fa tsy ben’ny tanàna iray no andeha hibaiko fanjakana, ary tsy misy fanjakana kely aoriny anaty fanjakana eto.

Tapaka ny tady

Ho sarotra ny raharaha, satria mahatsapa ny mety ho tohin’izao ny rehetra. Ny ben’ny tanàna izay nahazo hery tamin’ny fahatongavan’ny vahoaka maro tetsy Ambohijatovo ny sabotsy teo, dia tsy hihemotra amin’ireo fitakiana efa naloaky ny vavany. Ny fanjakana ankilany, dia mahatsapa ho osa raha toa ka manaiky lembenan’ny ben’ny tanàna an-drenivohitra iray. Hiroso amin’ny fitarihana olona hanao fahirano ny minisitera ve ny ben’ny tanàna sa hijanona eo amin’ny fitakiana tsotra fotsiny ? Manoloana io, dia tsy handefitra eo anoloan’ny hambara ho fanakorontanana miseho ny fanjakana, ka hampihatra ny lalàna mifanaraka amin’ny tranga miseho.

Mijanona amin’ny fanambarana

Rehefa niantefan’ny fantsy maro avy amin’ny ankolafin’olona maro samy hafa kosa ny mpanao politika ho “mpijapy train”, dia nijanona amin’ny resaka fanambarana hatreto. “Manohana ny fanajana ny demokrasia izahay”, hoy ny fanambarana voaray etsy sy eroa. Tsy misy ihany koa ny fiaraha-midinika matotra iarahany amin’ny ben’ny tanàna amin’izay tohin’ny fitakiana, fa ny hetsika amin’ny sabotsy no nalefa any amin’izy ireo. “Mpanimba tolona ny mpanao politika, satria efa naloam-bahoaka, ka aleonay miandry izay tohiny”, hoy ny iray tamin’izy ireo. Voakitika ny hambom-ponay amin’io teny io, ka mitazana aloha hatreto izahay hambara ho goaika antitra”.

Aiza ny FFKM ?

Eo aloan’ity raharaha ity, dia miantefa any amin’ireo raiamandreny ara-panahy ny sain’ny rehetra. Ireo FFKM io, satria ireo no antenaina ho elanelam-panahy ahafahana misoroka ny mety hisian’ny ady an-trano eto. Tsy mbola heno anefa aloha ny tena fidirany an-tsehatra amin’izao raharaha izao, fa ny fitarihana fotoam-pivavahana sy ny fihaonana amin’ny andrim-panjakana samy hafa no heno. Tsy misy olona iray tsy maniry ny hidiran’ity seham-pinoana mitambatra ity eo amin’izay raharaham-pirenena eto ity. Mbola azo atao tsara ny miroso amin’ny fifandaminana, saingy hisy hametraka ny hambom-po ho ambonin’ny tombotsoam-pirenena ve eto ? Indrindra taorian’ireny vava be natao tetsy sy teroa ireny ? Samia tonga saina, fa ny manarina ny rava tsy vita ao anatin’ny taona vitsy, fa ny mandrava no vita ao anatin’ny minitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS