Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h01
 

Malagasy

Fandroahana an’i mompera Sylvain Urfer

Tsy mitovy fomba fijery ny mpiray donak’afo

samedi 26 mai 2007 | Naivo kely

Tsy iny fandroahana iny no nataoko raha izaho no teo amin’io fitondrana io », hoy ny depiote voafidy tany Vohémar, Ramaromisy Auguste, satria maro ny làlana azo natao mba hialana amin’ny fanajana ny zon’olombelona, saingy amin’ny tompom-pahefana dia ireny izany no fantany fa mety. Fanehoan-kevitra tsy tapitra momba ny fandroahana an’i mompera Sylvain Urfer izay toa mihitatra toy ny sima misioka no tsy nampangina ity depiote avy eo anivon’ny antoko TIM ity. Nanome rariny ny fanambaran’ny FFKM ihany koa ny tenany. Amin’ny maha-raiamandreny am-panahy ireto FFKM ireto, dia tokony ho henoina ny hafatra tiany hampitaina raha tsy hiteny afa-tsy ny hafatry ny Pentekosta 2007 farany isika. Tsy mitanila ny FFKM, ary hita fa mijery ny madilana tokony harenina. Io fijereny ny olana amin’ny làlan-kizoran’ny firenena, dia heverina fa tokony tsy ho atao ambanin-javatra fa ahay handinika tsara izay voalazany ny rehetra. Aoka ihany koa hoy ity depiote TIM ity mba tsy ho roitin’ny sasany amin’ny tombon-tsoany manokana ny tahaka izao voalazan’ny raiamandrenim-piangonana izao. Hatreto aloha dia toa tsy mitovy fomba fijery ny mpiray donak’afo raha ny mpiray antoko no jerena satria toa manome vahana ny tsikera nahazo vahana tao ho ao raha ny hevitry ity depiote ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS