Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy misy intsony ny salotraina

vendredi 21 mars 2008 |  449 visites  | Naivo kely

Tsy vitan’ny fambolena ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Firy taona izay nefa toa mbola izao ihany ny mahazo ny tantsaha malagasy ? Miakatra ny vidin’ny solika, ary hanaraka azy io ny fiakatry ny vidim-piainana.

Manoloana ny tenin’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta milaza fa tokony hilofo amin’ny fambolena isika, mba hialana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, dia gaga ny maro mandre izany. Toa tsy misy salotraina mba hiarovana ny fiainan’ny mponina intsony. Ny saran-dàlana mandrangaranga ny hampiakatra azy ny mpitatitra. Ny mofo mba solon’ny vary hanao ny azy. Ny hofan-trano tsy ferana intsony. Ny fambolena ve ahafaka io fahorian’ny mponina io ? Ny tantsaha aza ireo majifan’ny mpangalatra izay kely mba hananany. Ny maika dia ny fepetra tsy hiakaran’ny saran-dàlana, na ny fijerena ifotony ny tsy hiakaran’ny PPN. Toa fialana bala hatrany no hita eo, ka ny sehatra amin’ny lafiny sosialy mihitsy no tsy hita.

Matoa napetraky ny vahoaka eo ianareo mpitondra dia ny hamaha olana, fa tsy hanilika andraikitra. Feno izao ny fepetra sy fahefana eo aminareo mpitondra ka inona indray no tsy ahavitana ny manala ny fahoriam-bahoaka ? Sa vita ny latsa-bato, dia samy mitady no mety ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS