Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 13h01
 

Malagasy

Midongy seza

Tsy manana hevitra hijanona ela ny filoha

samedi 5 janvier 2008 |  645 visites  | Naivo kely

Fampitomboana ny harin-karena, fanamafisana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ary ny fampihenana ny fahantrana. Ireo loha-hevitra telo ireo no niompanan’ny kabarin’ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly raha niarahaba ny vahoaka malagasy tratry ny taona ny tenany. Hajoro ny banky BMCD iarahana amin’ny vahiny ny fananganana izany, ary hamatsy vola ny tantsaha malagasy io. Omena sehatra ihany koa anefa ny mpandraharaha malagasy amin’ny famokarana eto, fa tsy avela hipitrapitra lava izao. Hamboarina ny lakandranon’i Pangalanes, ary toy izany ny tora-pasika any Sainte Marie. Hanafatra Osy 3500 avy any Australia ny fanjakana izay efa an-dalana amin’izao fotoana izao mba hanatsarana ny vokatra momba ny tapis sy ny ronono ary hanatsara ity fiompiana ity. Hatsaraina ny masomboly ho an’ny tantsaha, ary toy izany koa ny lakan-drano ary ny zezika. Nomena baiko hiara-miasa amin’ny vahoaka ny ben’ny tanàna, ary hanampy ny fanjakana izay tsy hanavahana io. Hisy fifaninanana hatao, ka amin’ny 10 novambra izao no hijerena izay kaominina nahavita be teo amin’ny asa fampandrosoana. Nanambara ny filoha fa tsy manana hevitra hijanona ela amin’ny toerana izany izy, ary aza midongy seza ianareo. Hafatra nampitainy omaly io izay nanamafisany fa tsy maintsy foanana ny fahantrana. Ireo raha fehezina ny laha-teny natao teny an-dapa omaly, izay tsara ny nanamarika fa tsy nisy niteny tamin’ny fiteny vahiny izay nandray fitenenana, fa avy hatrany dia tamin’ny tenin-drazantsika avokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS