Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h03
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Tsy manaiky ireo solombavambahoaka

vendredi 7 novembre 2008

Niantso ny filohan’ny antenierampirenena, Jacques Sylla hanatrika ny fivoriana manokana handinihina ny raharaha anatiny ireo solombavambahoaka Tim omaly hariva. Androany maraina kosa ny fivoriambe ho an’ny depiote rehetra mbola raharaha anatiny ihany.

Betsaka ny raharaha anatiny halamina amin’izany. Mialoha ny handinihina ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2009 adroany hariva no tsy maintsy hahavitàn’izany. Tsy mitovy hevitra amin’ny filohany Jacques Sylla ireto solombavambahoaka ireto, eny fa na ireo depiote Tim mitovy aminy aza, indrindra ireo mpikambana amin’ny birao maharitra aza. Raha ny vaovao fantatra, asain’ny filohany mametra-pialàna ny filoha lefitra faharoa, Tsitohery Avison noho ny antonym ara- pahasalamana.

Tsy nanaiky ny hanesorana ireo mpiasa 180 sy 117 mbola ho avy kosa ohatra ny filoha lefitra voalohany, Rakotomalala François Emile sy ny kestora, Raharinaivo Randrianantoandro. Nisesy izay ny fivorian’ny depiote Tim ao amin’ny Magro, mialoha ny fivoriana androany zoma eny Tsimbazaza izay tsy natrehan’ny filohany. Misy tsy milamina ao no dikan’izany.

Betsaka ny hetaheta, raha 18 miliara ariary ny tetibolan’ny Antenierampirenena ny taona 2008 izao dia niakatra ho 35 miliara izany rehefa nasiam-panitsiana sy ny taona 2009 izao. Tsy nisy niova anefa ny tambikarama sy ny zo tokony ho an’ireo depiote. Tsy misy tokony hanesorana ireo mpiasa satria nitombo ny teti-bola. Ny depioten’Antsohihy, Jao Jean no nangataka ny tokony hanaovana ny fivoriana handaminana izany rahaaha anatiny izany tany aloha saingy tsy nakasitrahan’ny filohany.

Etsy andanin’izany, Miatrika fiofanana momba ny asa ataony amin’ny fandaniana volavolan-dalàna ireo solombavam-bahoaka nandritra ity herinandro ity. Ny fandahaanasan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana na ny Pnud no tompon’ny fikarakarana tamin’izany.

Vita izany dia ny fiofanana momba ny fandinihana manokana ny teti-bolam-panjakana no natao ka ny EASI na ny sampana Afrikana momba ny demokrasia no tompon’ny fanofanana. Tsy ny solombavambahoaka rehetra 80 mianadahy akory no mahazo izany fanofanana izany fa ny ampahaefatra ihany angaha. Natokana ho an’ireo vehivavy paremantera ny fiofanana voalohany ary izay mpikambana amin’ny vaomieran’ny vola sy nybtoekarena ihany kosa ny momba ny faharoa. Tokony ho an’ny rehetra ny fiofanana satria mitovy ny asa mitovy koa ny hodinihana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS