Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 16 mai 2024
Antananarivo | 12h26
 

Malagasy

Fikambanana « Tanora Sahy »

Tsy maintsy hambara ny marina

samedi 8 mars 2008 |  616 visites  | Naivo kely

Tsy hiemotra amin’ny filazana ny marina aho. Io no nambaran’ny Mamonjisoa zanaky ny filohan’ny fikambanana « Tanora sahy vonona », izay mpiara-miasa akaiky amin’ny olom-boafidy amin’ny andrim-panjakana iray.

« Naato tamin’ny asako rehefa tsy nitovy ny fomba fijery politika, ary potehina hatramin’ny fiainako manontolo », hoy ny filohan’ny FTS. Niainga tamin’ireny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ireny ny raharaha, nanohana kandida hafa aho. Teraka avy hatrany ny disadisa satria lany ho ben’ny tanana teto an-drenivohitra ny kandida notohanako.

Ilay olomboafidy niara-niasa tamiko, hoy i Mamonjisoa, dia mpiara-miombon’antoka amiko amin’ny orinasa mpanafatra sy manondrana hazandrano mankany ivelany. Ny 60% ny vola miasa dia ahy. Tato afara dia nambara fa nivadim-pitokisana aho, ka tafakatra teny anivon’ny Polisy ny raharaha. Nanamafy ity filohan’ny FTS ity fa ny fitsikerana ny fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny no ao ambadiky izao fitoriana azy izao. Raha ny raharaham-pirenena dia isan’ny tsy zakan’io olom-boafidy io ny nilazany fa tsy misy vola ho enti-miasa ny MAP fa ny tamin’ny DSRP aza no betsaka. Fanampin’io ny momba ny filatsahan’ny toe-karena sy sosialy any amin’ny kizo. Ny fifidianana mandeha ila toy ny hita eto Antananarivo. « Tsy maintsy lazaiko ny marina, ary ho hita eo ny fiafaran’izao fifandirana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS