Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Ranjivason Jean Théodore

« Tsy ho ombalahy tanimanga »

lundi 10 septembre 2007 |  180 visites  | Volana R.

« Manana fijery midadasika izahay ka hitrena raha ilaina izany. » Niarahan’ny Firaisankina ho an’i Madagasikara, Firaisana Faharoa, tamin’ny filoha nasionalin’y CRTIM, Jean Clément, filoha lefitry ny antenimieran-doholona, nanokatra ny fampielezan-kevitra, teny Ambohipo. Izy rahateo no nanolotra ireo nilatsa-kofidiana amin’iny Firaisana iny, izay tarihin-dRanjivason Jean Théodore, ministry ny Asa, Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy teo aloha. Manaraka azy ao Andrialilala Hery Germain, Andriamihaja Herintsoa ary Ratsimba Fanja.

« Tsy mpanohitra »

Volaza nanditra ny fotoana fa tsy mpanohitra velvely ny CRTIM, kanefa kosa tsy menatra ny hilaza izay tsy mety na mibilobiloka amin’ny fitantanam-panjakana. « Tsy mijoro ara tsangan’olona izahay ». Ranjivason rahateo nanazava fa « na dia efa tsapa ihany aza fa misy fampitomboan-kerena eto an-tanindrazana, dia hita ihany koa fa mbola maro ireo vahoaka sahirana. Ny hanitsy ny lesoka no hilatsahanay fa tsy hanohitra fitondrana velively ».

Ezaka lehibe

Araka ny hevitry ny Firaisankina ho an’i Madagasikara, dia « mifangarika ny manaran-drenirano sy ny faniriana. Tsy afa-miaraka ny fahazarana sy ny fampivoarana. Ezaka lehibe no atao amin’ny filatsahan-kofidiana. Tsotra ny antony : tsy tianay intsony ny hiverenan’ny savorovoro toy ny teo aloha rehetra ireny ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS