Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 21h17
 

Malagasy

Polisim-pirenena

Tsy hisy intsony ny « rappel » amin’ny karama teo aloha

samedi 12 janvier 2008 |  437 visites  | Nivo T. A.

Amin’izao fotoana izao dia eo ambany fibaikoan’ny Contrôleur Général Talbot Alexis René Antonin ny polisim-pirenena. Tontosa omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha, ny Contrôleur Général Rahaingo Jacky sy ny tenany, tamin’ny alalan’ny lanonana ara-miaramila, izay natrehan’ny fianakaviam-ben’ny polisim-pirenena.

Taorian’izany famindram-pahefana izany dia tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka, ny Inspekitera Jeneraly Rasolofomanana Désiré. Tamin’izany no nanamafisany fa tsy misy intsony ny « rappel » amin’ny karama izay nampisavorovo ny sain’ny polisy, ary nandrasan’izy ireo nandritra ny taona maro. Efa nisy ny fifanarahana tamin’ny mpitondra teo aloha sy ny minisiteran’ny vola niaraka tamin’ny polisim-pirenena mikasika ny fandoavana tsikelikely izany karama izay nasondrotra nanomboka tamin’ny taona 2003, noho ny fiovan’ny satan’ny polisim-pirenena.
Nambaran’ny minisitra Rasolofomanana fa efa nohazavaina tamin’ny polisy izany toe-javatra izany ka tso tokony hisy intsony ny fimenomenomana ambadika.

Fa ankoatr’izay dia nohamafisin’ny Inspekitera Jeneraly Rasolofomanana fa hohamafisina ny fitandroana ny fandriam-pahalemana na an-drenivohitra na ambanivohitra izay mbola hananan’ny polisy alalana sy fahefana.
Ny tale jeneralin’ny polisy vaovao moa dia nanome toky fa hanao ezaka hanandratra avo ny polisim-pirenena ary mba ho mendrika ny fitokisana napetraka taminy na adidy mavesatra sy mankadiry aza. « Maro ny asa miandry ary miahasarotra kanefa tsy maintsy resena », hoy Atoa Talbot.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS