Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Malagasy

Faritra Atsinanana

Tsy hisy antontan-taratasy tsy voatsara intsony

jeudi 8 mai 2008 | Volana R.

40%-n’ny dosie sisa amin’ny volana aogositra ! « Tratra ny tanjona » hoy ny vaovao voaray. Noho ny fiaraha-miasa matotra miaraka amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, dia ezaka maro no vita ary mbola hotohizana.

Ao Vatomandry, ny 39 % n’ny dosie no miakatra
fitsarana amin’ity herinandro ity. Ao Ambatondrazaka, 895 ny antontan-taratasy tsy voakasika. Amin’izao fotoana izao, vita fitsarana ny 66 % ary ny 158 miandry ny
fotoana hanaovana ny fitsarana sisa. Toy izany koa ny ao Maroantsetra, antontan-taratasy 263 no « voatahiry » tao amin’ny Fitsarana, ny 80 % no nandalo ny toerana, 17 % miandry ny fandalovana ny « barre » ary ny
8 % miandry ny fivoahan’ny didim-pitsarana sisa. Ary ny ao Moramanga kosa, ny 12 %n’ny antontan-taratasy no miandry fitsarana sisa, ny 48 % miandry ny didy hivoaka, raha toa ka nisy dosie 978 no nipetraka tao fotsiny.

Ho an’ny Toamasina I manokana, vita ny fitsarana ireo 79%-n’ny antontan-taratsy natory tamin’ny 953 teo am-pelantanana. Miandry fitsarana ny 18 % ary miandry ny fivoahan’ny didy kosa ny sisa.
Izany hoe efa voadinika avokoa ireo fitarainana voaray sy ny raharaha mbola niandry hatramin’izay. Ny ankamaroan’ny raharaha tatoato dia nanodidina ny raharaha amn’ny lalam-pirenena faharoa iny, ny ao Ambatovy sy ny raharaha Colas. Ankoatra izay, tsy
latsaky ny 20 ny raharaha solika tonga ao amin’y biraon’ny Fitsarana.

Marihana fa 2 000 ny fitarainana voaray, ary 104 ny antontaratsy feno fa tsy voadinika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS