Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h03
 

Malagasy

Fanabeazana ny tantsaha

Tsy hijanona ho mpamboly, fa higoka harena

vendredi 20 juin 2008 | Naivo kely |  341 visites 

Miparitaka any ambanivolo rehetra any ny teknisianina manoro hevitra ny tantsaha. Ny tontolon’ny fambolena no hamokatra avo roa heny noho ny teo aloha no hita fa ataon’izy ireo.

Faly ny tantsaha fa mahazo fiofanana, mba hamokarany bebe kokoa. Ny hita anefa, dia mijanona ho mpamboly hatrany izy ireo fa tsy mba migoka ny harena. Ny antony dia tsy misy mampianatra ny fomba fitantanana izy ireny. Ny vidim-bokatra anio, azo avadika zavatra hafa ahazoana tombony betsaka rahampitso. Firy tamin’ireny tsy mba namboly na niompy ireny no tafita ankehitriny ? Antony dia hain’izy ireo ny mividy ny vokatry ny tantsaha mora, ary aondrany any antoeran-kafa na any ivelany mihitsy. Miditra ho azy ny vola vahiny, ary mividy entana avy any ivelany indray avy eo ka amidiny eto an-toerana. Inona no tsy hanaovan’ny tantsaha mivantana izany ?

Tsy ampy ny fanabeazana mipaka ifotony, ary mijanona ho mahantra hatrany ireto tena nilofo andro aman’alina. Isan’ny tarigetran’ny fanjakana ankehitriny ny hanaparitaka ny fahefana mipaka any ifotony rehetra any, ary miandrandra ny fampianarana amin’ny lafiny rehetra ny mponina ambanivolo. Raha tafapaka hatrany izany, dia azo antoka fa vetivety dia handroso ity firenana ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}