Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 15h12
 

Malagasy

Manandona : Famerenana ny fifidianana Kominaly

Tsy handray anjara ny mpomba ny TIM

vendredi 28 décembre 2007 | Princia R.

Araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny fitsarana miandraikitra ny ady atao amin’ny fanjakana ny 19 desambra 2007 lasa teo dia anisan’ireo kaominina hamerenana fifidianana ny Kaominina Manandona. Manoloana izany anefa dia nanao fihetsehana ireo mpiandany amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ka nilahatra sy nitondra sora-baventy nanoloana ny biraon’ny Kaominina. Araka ny nambaran’izy ireo dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana intsony izy ireo fa toa tsy firaharahiana ny safidim-bahoaka ny didy nivoaka.

Araka ny nambaran’ireo prezidan’ny birao fandatsaham-bato vitsivitsy sendra anay dia gaga sy talanjona izy ireo raha nahare fa haverina ny fifidianana ao amin’ny Kaominina satria tsy nisy na iray aza birao nahitana olana tamin’iny fotoam-pifidianana ny 12 desambra 2007 iny. Raha tsiahivina dia kandida 2 no nifaninana tamin’io ho fitantanana ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina dia ny TIM sy ny MIAMI (Miara-Mizotra), ka ny TIM hatrany no nitarika tamin’ny vokatra vonjimaika. Nidina nijery ifotony ny zava-niseho ny lehiben’ny Distrika Antsirabe faharoa ary ny avy ao amin’ny Kaomandin’ny vondro-tafiky ny zandarimaria. Taorian’izany dia nanaiky ny fandaminana napetraka ireo mpihoko ka vonona hiandry am-pitoniana ny famerenana ny fifidianana. Hatreto aloha dia tsy ny mpiandany amin’ny TIM ihany no tsy mazoto amin’ny hamerenana ny fifidianana fa ny ankamaroan’ny vahoaka ao an-toerana mihitsy. Ho hita eo izany raha hitàna ny teniny ny TIM ka tsy handray anjara intsony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS