Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Malagasy

Anosipatrana FJKM

« Tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy rariny izahay vahoakan’Andriamanitra »

jeudi 16 octobre 2008

- Ny tsara ho fantatra momba ny tsy rariny ato

« Heverina fa mety ny maneho an-gazety ny zava-misy marina momba ny raharaha ao amin’ny fiangonana Anosipatrana FJKM ankehitriny. Voatery mivoaka an-gazety mantsy izany raharaha izany satria tsy zakan’ny fiangonana intsony ny amboletra tsy ara-dàlana ataon’ireo mpitandrina biraon’ny SPAA 10 miray tsikombakomba amina olom-bitsy eto amin’ny fiangonana. Nokobonina tato anatiny tato ihany ny raharaha nandritra ny 10 volana, saingy rehefa namono sofina ny SPAA 10 dia tsy azo tohaina intsony ny alahelo sy hatezeran’ny kristianina marobe. Mifanohitra be koa moa ny filazan’ireo gazety vitsivitsy namoaka ny raharaha. Hita miharihary tokoa fa tsy sahy mitompo teny fatratra izy ireo amin’izay lazainy noho ny tsy fananany vaovao marim-pototra ka izany no anton’izao fanazavana atao izao.

- Ireto avy àry ireo farafahakeliny tokony ho fantatry ny rehetra :

1. Olona 61 monja ireo nitory ny mpitandrina. Ry zareo mpitory moa no nilaza io isa io am-pahabemaso (fa mety ho latsaka noho io ?? Tsy dia sahy miseho mivantana loatra mantsy izy ireo fa toa kaodikaody eo anatrehan’ny besinimaro).

2. Miray tsikombakomba amin’ireo olona 61 ireo ny mpitandrina ao amin’ny biraon’ny SPAA 10. Ny anankiray, amin’ireo mpitandrina ireo moa dia niala tampoka tao amin’ny SPAA 10. Sady nialany ny andraikiny tao, no nialany koa ny fiangonana nitandremany tao amin’ny SPAA 10.

3. Raharaha nanapahan-kevitra teo amin’ny mpihevi-draharaha ny fiangonana sy ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo no itoriana ny mpitandrina.

4. Tsy misy raharaha sarotra izay hita ao amin’ny Foto-dalàna sy Fitsipika (FDF) toko VIII andininy 375 no itoriana ny mpitandrina.

5. Misy amin’ireo raharaha itoriana ny mpitandrina no tsy marim-pototra sady lainga foronina ankitsirano fotsiny izao. Niaiky izany tamin’ny solontenanay ny filohan’ny SPAA 10 teo aloha.

6. Tsy nanantona tany ifotony ireo mpitandrina ao amin’ny biraon’ny SPAA 10, nanadihady sy namototra tany Anosipatrana FJKM ny zava-misy marina na indray mandeha aza.

7. Izay rehetra fitarainana nalefanay tany amin’ny SPAA 10 momba izao raharaha izao dia tsy nisy nahazoam-baliny na iray aza, kanefa dia fitarainana manaraka tsara ny FDF toko VIII and. 375, ary nampiarahana tamin’ny sonian’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo 300 mahery ».

Ireo kristianina miara manompo eto Anosipatrana FJKM. Loholona, katekista, diakona, mpikambana any amin’ny biraon’ny sampana sy sampanasa ary asa, tsy manaiky ary tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy marina sy ny tsy rariny atao amin’ny fiangonan’ Andriamanitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS