Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Malagasy

Finoana • Fiangonana Kibanguiste

Tsy 25 desambra ny krismasy !

lundi 26 mai 2008 | Manou

Fotoam-bavaka lehibe ho an’ny mpanaraka ny antokom-pinoana Kibanguiste maneran-tany ny alahady 25 may omaly ho fankalazany ny krismasy ahatsiarovana ny vanim-potoana nahaterahan’i Jesosy Kristy, loharanon’ny finoana kristiana rehetra.

Faminanian’i Papa Kibangu

Nanamarika io fotoan-dehibe io tamina vavaka lehibe teny amin’ny foiben-toerany teny Andavamamba ny teto Antananarivo, nanazavan’ny Réverend Andrianalijaona Ndremanampy, solontena ara-panjakanan’ny Eglise de Jésus-Christ sur la Terre de Son Envoyé Simon Kibangu eto Madagasikara, fa ny 25 may no tena vanim-potoana nahaterahan’i Kristy tany
Betlehema fa tsy ny 25 desambra araky ny fanaon’ny besinimaro tsy akory !
Fifanarahan’ny samy mpiangona tany amin’ny taonjato fahatelo fotsiny no nandraiketana io datin’ny 25 desambra io, hoy izy. Hitan’i Papa Simon Kibangu, mpamorona ity antokom-pivavahana ity tany Congo Kinsasha tamin’ny taona 1921 kosa, hoy izy, fa ny 25 may no tena izy ary nampitainy tamin’ny zanany lahy Kiangani, vao 7 taona tamin’izany, mialohan’ny handefasan’ny mpanjanatany Belza azy ho sesi-tany, fa tsy maintsy ambara ho ren’izao tontolo izao ny hafatra tamin’ny taona 2000.

Voambaran’i Papa Kiangani mpandimby azy teo amin’ny fitondrana ny fiangonana Kibanguiste tam-pahibemaso tao ‘Nkamba tany Congo Kinsasha, firenena nipoiran’io antokom-pinoana io kosa io hafatra faminaniana io tamin’ny taona voatondro teo izay nanombohan’ny fankalazana ihany koa.
Fito taona tamin’izao no efa nankalazana ny krismasy 25 may teto Madagasikara, tamin’ireo faritra rehetra efa misy ny fiangonana Kibanguiste.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS