Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 11h13
 

Teny zato, kabary arivo

Tsipaky ny miala aina

mardi 29 janvier 2008 | Naivo kely |  1101 visites 

Manongo tena ny ankamaroan’ny maro raha mahita ny fihetsiky ny loholona sasany amin’izao ankatoky ny fidiran’ny loholona vaovao handimby azy ireo izao. Mahamenatra satria izao ry zareo vao mba mitaky ny handravana ity andrim-panjakana iray ity, satria toa zary ankila-bao hono ny hevitra rehetra izay avoakan’izy ireo, ary isan’ny hitakian-dry zalahy ny handravana azy io ny fanemorana ny laharan’ity andrim-panjakana ity eo amin’ny laharan’ny aro-fenitra. Tsy takona afenina amin’ny rehetra fa ny mpanohitra no maro an’isa ao izay mahatratra any amin’ny 60, ary ny 30 ambiny dia irao notendren’ny filoham-pirenena. Tsy efa tsipaky ny miala aina ve izao ataon’ny loholona mitaky ny handravàna ity andrim-panjakana iray ity izao ? Izay tolo-dalàna natolotry ny fitondrana moa ve tsy lany 100% avokoa izay mpanohitra no maro an’isa tao ? Ho gaga ve isika raha nokilasian’ny hafa ho tsy « crédible » ny mpanohitra raha mahita ny fomba fihetsiny tahaka izao isika ? Ho avy ny fifidianana isan-karazany, dia milatsaha ianareo raha te ho tafaverina amin’ny toerana fa tsy rebirebena lava izao ny vahoaka, ary aoka tsy ho gaga isika raha mitaky olom-baovao ny Malagasy toy ireny efa hitantsika teto larivo nandritra ny fifidianana farany ireny. Soa fa tsy ny mpanohitra rehetra no manao toy izany, raha tsy izany, dia efa nalevin’ny vahoaka im-pito mandifotra olona ny resaka politika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}