Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 14h30
 

Malagasy

Fanamparam-pahefana

Tsindry hazo lena ?

vendredi 14 mars 2008 |  530 visites  | Naivo kely

Aza manao kely tsy mba mamindro. Endrika iray hisehoan’ny fanaparam-pahefana isaky ny faritra io mandritra izao fampielezan-kevitra izao.
Tsy misy izay tsy mitaraina ny kandida isan-karazany manoloana ny fihetsiky ireo olona nomena fahefana amin’ny faritra sasany. Ny kandida eny Avaradrano, dia nanamafy io, izay milaza fa nangataka kianja malalaka hanaovana ny fampilezan-kevitra saingy narirarira hatramin’ny farany, ka naleony nitety isam-baravarana. Ny Tanoran’ Atsimondrano Vonona raha nitafa tamin’ny mpanao gazety dia nanamafy io teritery atao amin’ny kandida io. « Voateritery tanteraka izahay, kanefa tsy izany no sakana tsy ahafahanay mirotsaka ho fidiana amin’ny alahady izao », hoy TVA, « ary tsy avela hanjakan’antoko tokana ny tanàna ».

Ny kandida tany Sambava dia nitsoaka andaharana mihitsy no hetraketraky ny hafa. Ny fanaterana bileta any amin’ny faritra samy hafa dia nahitana olana avokoa.

Hametraka fitarainana eo anatrehan’izao tsy fisian’ny fahalalahana izao izay ho ireto kandida ireto, ary miandry ny sazy ho an’ireo manao tsindry hazo lena amin’ny fanamparam-pahefana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS