Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 13h58
 

Malagasy

Toamasina : Mangarivotra

Trano folo, kila forehitra

mercredi 26 décembre 2007 | Gilbert R.

Asa na vokatry ny kotro-baratra mafy nandalo tamin’ny renivohitr’i Besimisaraka ny alin’ny alahady faha-23 desambra lasa teo, na noho ny « délestage » mpitranga matetika eto an-toerana, fa dia tapaka nandritra ny fotoana naharitra aloha ny jiro tamin’io fotoana io. Rehefa niverina tamin’ny laoniny anefa ny herin’aratra, dia voalazan’ilay renim-pianakaviana niharam-boina, may niaraka tamin’ny zanany kely vao 3 taona monja, voatery nampidirin’ireo mpiray monina aminy hopitaly maika noho izay antony izay ; fa fipoahan-javatra tao an-tranony ka nampiparitaka ny afo no nihavian’ny loza.

Rehefa tonga teny Mangarivotra avaratra, parcelle 11/11, toerana nitrangan’ny hain-trano anefa ny « pompiers »-n’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, dia hay tsy nisy rano akory tanatin’ny fiara ka niitatra hatrany ny fiparitan’ny afo. Voatery niantso ny « pompiers » avy amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo ny mponina. Naharitra ho ora roa mahery vao maty ny afo. Trano miisa folo no may kila forehitra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny ben’ny tanàna vaovao, Dr Rakotomanana Gervais, ka tonga teny amin’ny hopitaly nitsidika sy namangy ary nampahery azy mianaka may hatramin’ny fitafiana teny an-kodiny, ka nanolotra izay voatsirambin’ny tanany, vola mitentina 100 000 Ariary aloha, ary nanome toky fa hanao izay ho afany ny kaominina mahakasika izao loza izao. Tsy adinony ihany koa ny nampahery ireo rehetra tra-pahavoazana noho iny loza iny izay inoana fa tsy maintsy hisy ny fanampiana entin’ny fitondrana isan-ambaratongany atao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS