Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Trakita no ampinga

mercredi 2 avril 2008 |  854 visites  | Naivo kely

Tetika hafa kely indray no endrim-panoherana eto. Niparitaka teto andrenivohitra ny trakita andro vitsy lasa izay. Ny tsikera ny fitondrana ankehitrio no hita taratra ao anatin’io, ary filoham-pirenena teo aloha, eto an-tanindrazana, no nanao sonia izany.

Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireto vondron’ny mpanohitra ireto, dia nanamafy fa miankina amin’ny fandraisan’ny vahoaka ny hevitra naparitaka ny tohin’ny hetsika. Gaga ny maro, satria nahery fihetsika ihany ireto mpanohitra ireto, saingy any amin’ny resaka trakita ve sisa no ahafahana maneho hevitra ? Matoa anefa natao, dia efa voadinika mialoha ny mety ho vokany. Tsy re tsaika intsony hatreto ny resaka fidinana andàlam-be. Tsy azo atao ihany koa io, ary ahiana mety hiteraka korontana ny fidirana amin’io lafim-panoherana iray io. Ny ahazaka vahoaka mbola tsy fantatra.

Niarahaba ny antoko MONIMA ny mpanohitra amin’ny fankalazany ny faha-50 taona niorenany. Tetsy Ivandry no nanehoan’izy ireo izao, izay notarihan’i Profesora Zafy Albert.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS