Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 18h58
 

Malagasy

Toamasina

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny mpampiasa basy an-tsokosoko

samedi 5 avril 2008 | Gilbert R.

Mitohy ary nahitam-bokatra hatrany ilay « Opération coup de poing » tontosain’ireo mpitandro filaminana eto an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Maro ny karazan’asa maloto fanaon’ireo tsy mataho-tody no mihena an-dàlana hatrany. Tsy vitsy ireo mpanodikondina na mpivarotra solika nahodina ambadika amin’ny toeram-piasana isan-karazany no efa nampidirina am-ponja. Toa izany ihany koa ny vono olona sy ny halatra samihafa toa ny fanafihana toby fivarotan-dasantsy no sarona teny am-panatanterahana azy.

Ny talata voalohan’ny volana aprily teo kosa no nanomboka hita sy sarona ireo mpanao trafika na-basy. Ka efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ankehitriny ny raharaha. Basy lava miisa telo miaraka amina bala mitontaly 30 isa, miampy fitafiana miaramila folo no sarona tamin’ireo folo lahy tompon’antoka amin’ny fandravana eto Toamasina.

Niaiky ny roalahy fa basy tao amin’ny trano fonenan’ilay mpampiasa azy ireo ny iray amin’ireo tratra ireo. Tamin’ny alàlan’ny fijerana ny répertoire anatin’ny finday an’ilay jiolahy anankiray no nahatratrarana ny roalahy atidoha no lehiben’izy ireo. Marihina fa tratra teny amin’ireto jiolahy ireto ihany koa ny caméra iray fampiasany mialohan’ny « opération » ho tontosainy, izany hoe araka ny voalaza dia alainy sary mialoha ny trano sy ny manodidina azy ahafantarana ny lalana entiny manao ny asa ratsiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS