Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Tora-bato sa fonja ?

jeudi 10 avril 2008 |  889 visites  | Naivo kely

Vonona ny mpanohitra hidina an-dàlam-be. Tsy mila maka alàlana fa avy hatrany dia vavany. Ny fasahian’ny vahoaka hanaraka sisa andrasana.

Manakaiky ny volana Mey izay fotoana manan-tantara eto amin’ny firenena. Tsy zoviana amin’ny maro ny zava-nisy teto hatramin’izay. Ny etsy amin’ny lapan’ny tanàna teo aloha aza zary niofo ho kianjan’ny 13 Mai. Mpitondra maro no nahazo seza tampoka noho ny fisian’ny tolona teo, ary tsy vitsy ihany ka ireo tafiditra am-ponja noho ny fikirizana hampiasa ity toerana manan-tantatra ity. Maro ny naratra teo, ary mbola mitondra takaitra hatramin’izao, ary be ireo voatora-bato tetsy an-kianja.

Ny fanjakana ankilany dia tsy hanaiky ny hisian’ny korontana eto an-drenivohitra, ary ireny niarahana nahita ireny ny fisian’ny faritra mena tetsy Analakely, Antaninarenina ary Mahamasina. Ho tora-bato sa fonja no hiandry ireo vonona hiverina etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey hoy ny mpitazana ? Taona vitsy monja izay no nisian’ilay fandratrana loholona sy mpanao politika teo ary isan’io ny Profesora Zafy Albert. Hatramin’izao anefa mbola tsy nisy voasambotra ireo nanao izany herisetra izany, na dia fantatra aza ireo olona ireo. Mitazana ny maro, ary ho hita eo ny fahasahian’ireo nilaza fa hitarika olona etsy Analakely indray.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS