Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Malagasy

Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina

Tombotsoa maro no azo avy amin’ny 3P

jeudi 25 septembre 2008
Ny minisitra, Ivohasina Razafimahefa.

Nifarana ny talata teo ny seminera momba ny 3P na Partenariat Public Privé, izay notanterahina nandritra ny roa andro tetsy Anosy. Nandray anjara tamin’izany avokoa ny solotenam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny. Nametrahana ny lalàna sy ny rafitra rehetra mikasika ny 3P no nanatanterahana izany. Nisy ihany koa ny fandinihana ny paik’ady hanatanterahana azy io. Nanambara ny minisitra Ivohasina Razafimahefa, fa nahafahana nandinika izay paik’ady avy amin’ny fanjakana sy izay zavatra manintona ny tsy miankina amin’izany, io seminera io.

Tombotsoa maro no azo avy amin’ny 3P. Anisan’izany ny firoboroboan’ny famatsiam-bola sy ny fampitaovana. Ilaina tokoa ny 3P, hoy ny nambaran’ny avy ao amin’ny banky iraisam-pirenena, indrindra fa amin’ny fanatanterahana fotodrafitrasa maro. Mamatsy ny tetikasa izay miditra ao amin’ny 3P mantsy ny banky iraisam-pirenena. Anisan’izany ny fanamboarana ny seranantsambon’i Ehoala, izay hifarombonan’ny tetikasa PIC sy ny QMM. Tokony hifanome tanana ny fanjakana sy ny tsy miankina mba hisian’ny fampandrosoana, mba hahazoana vokatra tsara sy betsaka kokoa. Anisan’izany ny fialan’ny fanjakana amin’ny sehatry ny famokarana mba hanomezana ny fitantanana ho an’ireo sehatra tsy miankina. Ilaina tokoa mantsy ny traikefan’ny tsy miankina manoloana ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana.

Poussy R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS