Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h38
 

Tsakotsako

Tokony...

lundi 8 décembre 2008 | RAW

Tokony ihena ny fotoana lany amin’ny fikarakarana ny antotan-taratasy any amin’ny sampandraharaha-panjakana.

Tokony ihena ny isan’ny taratasy takian’ny sampandraharaha-panjakana.
Tokony hisy fandraisana tsisy tombo sy ala any amin’ireny sampandraharaha-panjakana ireny.

Tokony tsy hisy intsony ny fampivezivezena ny mpanjifa ny raharaha-panjakana.

Tokony tsy hisy kolikoly intsony any amin’ny birao-panjakana rehetra any.
Tokony ho fantatry ny olona mialoha hoe aiza no alehany raha miditra amin’ny sampandraharaha-panjakana iray izy.

Tokony ho fantatry ny mpanjifa koa ny fe-potoana sy ny vola tokony alohany rehefa ha nao raharaha iray izy.

Tokony hihena ny filaharana any amin’ireny birao-panjakana ireny.
Tokony hihena noho izany ny fahasahiranan’ny vahoaka manatona ireny sampandraharaha-panjakana ireny.

Efa natomboka an-taonany maro ireo fihavaozana ireo any amin’ny sampandraharaha mikasika ny Fitsarana, mikasika ny Fitantanambola-panjakana ary indirndra indrindra any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany.

Isan’ny fihavaozana momba ny Fananantany ny fananganana Birao ifotony any amin’ny Kaomina izay manome ny « Kara-tany ». Raha toa tsy nanana ny maha-izy azy loatra ny « Kara-tany » tany am-boalohany, ankehitriny kosa dia efa manana izany « valeur juridique » (mitovy lenta amin’ny titra eo anatrehan’ny fitsarana) izany izy io.

Raha izany no izy, dia tokony tsy hisy intsony ny hampitaraina ireo tena mpamokatra any ambanivohitra any. Tokony tsy hisy intsony ny fitarainana mikasika ny tany volen’ny mpamokatra any ambanivohitra any. Tokony tsy hisy intsony ny olana eo amin’ny tany nolovain’ny samy taranaka. Tokony tsy hisy intsony ny olana tahaka ny hoe fangalarana tany.

Ny zava-niseho tany Morombe notaterin’ny filazam-baovao maro tato ho ato anefa dia mifanohitra amin’izany.

Ny solombavambahoaka voafidy tany Morombe moa dia nanamarina fa misedra olana lehibe ny tantsaha any amin’ny fokontany Ambalamoa, distrika Ambahikily ao Morombe ao. Amin’ny ambangovangony dia noho ny tandrevaka tany amin’ny sampandraharan’ny Fananantany tany dia voaendaka ireo nanazary, namboly sy namokatra ary nivelona teo amin’ny tany hatrizay. Voatery hiala teo amin’ny taniny izy ireo satria tonga ny tompon’ny tany an-taratasy avy any amin’ny tanàn-dehibe miaraka amin’ny « titra ».

Raha izany no izy, inona no tokony atao ? Moa ve tokony hafainganina sy hafohezina hatrany ny fombafomba mba hahazoan’ny mpanambola manatanteraka ny vinavinany ? Moa ve tsy tokony haafainganina kokoa noho izao ny fanapariahana ny fanabeazana ireo olon-behibe any ambanivohitra any ? Satria azo antoka fa ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, ny tsy fanarahana vaovao no rangory fototry ny afo. Fa ny tena marina koa dia tokony tsy hisy intsony tokoa ny kolikoly any amin’ireny sampandraharaha-panjakana ireny.

Amin’ny lafiny maro dia tena rariny koa raha niteny ny filoha Ravalomanana fa tokony hanamboarana trano ny mpiasa-panjakana any rehetra any ; ary trano manara-penitra tsara. Tokony haverina indray ny fanovan-toerana azy ireny isaky ny telo na dimy taona mba tsy hisian’ny fifandraisana diso tafahoatra amin’ny mpanjifa ny raharaha-panjakana.

Marina ireo na ho an’ny any amin’ny Faritra fa indrindra any amin’ny sampandraharaha-panjakana eto an-drenivohitra na ministera.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS