Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 23h50
 

Malagasy

Antsirabe

Toaka gasy ara-dalàna ?

vendredi 28 mars 2008 | Princia R.

Amin’izao fotoana izao dia misy ny karazana toaka gasy ara-dalàna sy tsy ara-dalàna hany ka sahiran-tsaina ny zandary manao ny asany. Ny talata lasa teo dia nisy toaka gasy 1.000 litatra efa voatsinjara amina tavoahany plastika 1l. efa misy etikety saron’ny zandary tamin’iny làlam-pirenena faha-fito iny.

Rehefa natao ny fisavana dia nampiseho ny taratasy fahafahany mandeha ilay tompon’ny toaka izay tsy iza fa olona tompon’andraikitra iray avy ao atsimotsimo ao, ankoatr’izay, ara-dalàna avokoa ny taratasy rehetra . Anisan’izany ny fandoavan-ketra, noho izany dia tsy afaka nitana ireo toaka na koa naka lamandy 1.000 Ar isaky ny litatra ny zandary.

Araka ny fantatra dia avy ao Ambinanindrano Amoron’imania no niavian’ireto toaka gasy ireto. Very hevitra ary ireo mpitandro ny filaminana satria misy ny ara-dalàna sy ny tsy ara-dalàna eo amin’ity resaka toaka gasy na koa « toaka voarara » ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS