Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 14h30
 

Malagasy

Fandraharahana eto an-toerana

Tezitra i Ravalomanana

mercredi 13 juin 2007 | Naivo kely

Tamin-katezerana tanteraka no nilazan-dRavalomanana filoham-pirenena ny tsy tokony hisian’ny fanararaotana eo amin’ny samy mpandraharaha, ka hampijaly ny vahoaka Malagasy. Tsy niakatra fa nijanona teo amin’ny 69 dolara ny barila ny solika, ary niha-nahazo vahana ny ariary, koa nahoana no hararaotina asondrotra ny vidin-tsolika ? « Mampitandfrina anareo mpandraharaha vahiny aho, fa samy mpandraharaha isika ka aoka tsy hifanararaotra. Mandraisa andraikitra ny Governemanta, fa raha tsy izany ho raisiko ny andraikitra ». Teny heno tany amin’ny fametrahana ny vato fehizoro tany Taolanaro omaly io, ary miendrika fa tsy baikon’ny vahiny ny firenen-tsika.

Faly ny maro

Fihetsika nahafaly ny maro ny tsy fileferan’ny filoha Ravalomanana manoloana ny endrika ho fanararaotana ataon’ny vahiny antsika eto, ary indrindra ny tsy tokony hitsabahan’izy ireo amin’ny fiainan-tokantranon-tsika. Nahoana tokoa moa no izay tian’ny mpandraharaha vahiny eto no hampiharina hambotriana antsika tompon-toerana. Ekena fa izay no fahalalahana saingy misy fetrany ny zava-drehetra. « Tsy hampianarin-domano aho « , hoy ny filoha », fa samy mpandraharaha isika ka aoka tsy ny zavatra mety hiantraika amin’ny fiainan’ny vahoaka andavan’andro ny kitihina.

Nikoropaka ny filoham-pirenena raha nampiakatra ny saram-bidin’ny solika ny mpandraharaha miandraikitra ity sehatra ity. « Samy mpandraharaha isika ka aoka tsy hanao toy izao, fa mahazo mody izay mihevitra ny hametraka fanararaotana eto ». Ireo vahiny no tiany asian-teny amin’io.

Dia ahoana ny menaka ?

Fa raha nanondrotra ny saran’ny menaka ho 6000 ariary moa ny Magro amin’ny faritra maro eto amintsika moa mba nampiakam-peo ny mpandraharaha sasany ? Fa angaha niakatra koa ny akora fanodinana menaka no niakatra avo efatra heny tamin’ny teo aloha ity sakafo fampiasan’ny vahoaka andavan’andro ity ? Fa rehefa mpandraharaha iza no tokony ho entitra ny fanjakana fa rehefa iza dia hangina satria hambara fa nisy nanodina teny andranomasina ny menaka ? Roa litatra sy tapany amin’ny solika anie ny vidin’ny menaka vokarin’ny orinasan’ny filoha ankehitriny e ? Koa sao dia ho roahina koa ary ny mpitantana vahiny amin’ny sehatra tahaka izao, fa tsy rehefa ny hafa no misioka dia voro-manga na ny anilany vorondolo. Na eo aza ireo, dia isaorana ny filoha maha-tsapa fa tsy tokony hanjakazakan’ny vahiny ny toe-karena malagasy ka samy handray lesona lehibe amin’ireny kabary ireny ny rehetra, indrindra fa ireo mpandraharaha vahiny milaza azy ho dadany eto amin’ny tanana, fa tsy dia vendrena koa anie ny gasy e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS