Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Malagasy

Taratasy misokatra

jeudi 15 novembre 2007

Tompoko,

« Ataonay fa adidinay amin’ny maha teratany gasy izay mipetraka aty Frantsa no mampahafantatra ny zava-misy aty ivelan’ny firenena.

Toy izao no zava-misy tompoko : tena maro dia maro tokoa, ary tena malaza ratsy mihitsy, ireo vazaha lahy mandeha irery na miaraka tsiroaroa na telo mankany Madagasikara ary milalao ny vehivavy gasy no tena antodiany.
Voalazan’ireny vazaha lahy ireny fa tena mora be tokoa ary tena manome fahafahampo be tokoa amin’izay ilainy hono ny vehivavy gasy.

Tena miha malaza ratsy tokoa izany vaovao izany nohon’ny fireharehan’ny vazaha lahy ary dia mahamenatra tokoa.

Eo andanin’izany dia misy amin’ireny vazaha lahy ireny no misy aretina toy ny sida ary dia tsy misy henatra sy tahotra ho azy ireny ny fireharehana hoe mba manararaotra faramparany amin’ny filan’ny nofo hono alohan’ny hahafatesana.

Noho izany tompoko dia tokony mba asiana fanadihadiana mafy tokoa raha vao tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina ny anton’ny hahatongavan’ny vazaha lahy izay tsv miaraka amin’ny vadiny na ny flanakaviany any Madagasikara. Raha vao tonga eny amin’iny seranam-piaramanidina dia tokony mba hampitandremana amin’ny fitondrantena izay hataony izy ireny. Ary tokony mba manao lalàna hanamaizana ireny vazaha lahy tonga handoto ny vehivavy malagasy ireny ianareo tompon’andraikitra.

Izany tompoko no mba hetahetam-ponay vehivavy gasy aty ivelan’ny firenena !

Ary miala tsiny indrindra tompoko raha tsy nasianay ny anaranay izay mpanoratra eto amin’ ity taratasy ity fa mba maniry izahay tsy ho hitan’ny fianakavianay ity fifandraisana ity.

Dia misaotra mialoha tompoko ».

Fanja, Vololona, Claudine

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS