Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h28
 

Malagasy

Tapatapany

samedi 24 janvier 2009

- “Miaro izao fitondrana izao ny zanaky ny Repoblika voalohany”. Io no nambaran’ingahy Franck Ramaroson, satria ny fitondrana ankehitriny no nanome lanja ny zanaky ny Repoblika voalohany. Misy olon’ny Repoblika voalohany ihany koa ao anatin’izao fitondrana izao, toy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Tsy mankasitraka ny endrika izay miseho eto an-dRenivohitra izao ihany koa izy ireo.

- Nandefa ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny MBS momba nyfandroahan’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra azy etsy Anosipatrana. . Ny MBS koa anefa, dia naka vaditany nandoa ny vola izay heverina fa hofan’io toerana io. Voalaza fa nisy fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta momba ny tambin’io vola tokony ho aloa io.Miha-henjana koa izany ny tady.

- Manameloka ny resaka ampitaina amin’ny radio tsy miankina iray eto an-dRenivohitra kosa ny tanora ao amin’ny kaominina Bongatsara. Voalaza fa ny tanora rehetra ao amin’ity kaominina ity, dia manohana an’i Andry Rajoelina. “ lalaovina amin’ny resaka politika ny ho avin’ny tanora ato amin’ny kaominina, fa raha te-hanohana olona iray ny eto, dia ataony amin’ny anarany manokana izany”, hoy ireo tanora.

- Aiza ireo olom-boafidy TIM ? Io no fanontaniana apetraky ny maro manoloana ny seho ara-politika eto amin’ny tanàna. Toa minia mangina ny ankamaroan’izy ireo, nefa izao no fotoana tokony hisehoany amin’ireo vahoaka nifidy azy. Sa efa tsy mahatoky ny vahoaka intsony izy ireo, ka avela hiady irery ny filoha Ravalomanana ? Io no heno teny rehetra teny omaly tontolo andro, manoloana ny tsy fandrenesam-peo eo amin’ireo olom-boafidy TIM maro eto an-dRenivohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS