Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Malagasy

Tapatapany

jeudi 22 janvier 2009

- Tsy nisy lalàna nanakatona ny radio tsy miankina any Manakara. Diso ny vaovao naely teto an-drenivohitra. Fampitandremana ny mpanao gazety tsy hitarika vahoaka ho amin’ny fikomiana no anton’ilay fampitandremana. Niantso ny mponina hanao andrimasom-pokonolona ireto namana mpanao gazety ireto, ary taorian’izay, dia naorin’ny tompony ireo fitaovana fampiodinana ny radio, mba hisorohana ny mety ho fakan’ny mpitondra any an-toerana izany.

- “Vonona ny vehivavy manohana ahy, hoy ramatoa Nadine Ramaroson, raha misy mikasa ny hisambotra ahy. Ny fitakiana ny rariny no nijoroako, hoy izy, ary tsy hiemotra hatramin’ny farany amin’izany aho”. Voalaza fa fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha ireto manohana azy ireto, ary izay no isan’ny hanaovan’izy ireo miaraka amin’ny FCD ilay fehi-tenda miloko vonim-boasary.

- Hifandrombahana etsy Analakely ny CD piraty misy ilay kabarin’ny amiraly Ratsiraka nandeha tao amin’ny fahitalavitra Viva. Arivo ariary, no vidin’ny cd iray. Ireo mpivarotra cd piraty no mivarotra izany, ary vita fono tsara misy ny sarin-dRatsiraka. Ity fandefasana ny horonan-tsarin’ny amiraly ity no anton’izao hetsika politika eto an-drenivohitra izao.

- Misy mampiasa ny anarako, hoy ny PDS teo aloha, Hery Rafalimanana, amin’izao zava-misy eto an-dRenivohitra izao. Tsy tompon’andraikitra amin’ireny aho, ary mangataka ny hampitsaharana izany. Nanambara kosa anefa izy, fa mitovy fomba fijery amin’ny vahoaka eto amin’ny fampandrosoana ny renivohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS