Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 12h53
 

Teny zato, kabary arivo

Serasera matanjaka

mercredi 9 juillet 2008 | Naivo kely

Efa-bolana no hametraha ny satelita hiparitaka manerana ny tontolo ambanivohitra rehetra. Ahazo ny anjaara-masoandrony amin’ny fahafantarana ny vaovao rehetra ny vahoaka malagasy rehefa vita io. « Tsy ho tafapaka any amin’ireo faritra lavitra ny hafatra tiana ampitaina amin’izy ireo, hoy ny filoha Ravalomnana, ka izay no ilana ny fandraisana andraikitra haingana ». Marina io. Satria na hatramin’izao aza dia mbola vitsy no mahalala, fa hanjaka amin’ny firenena maro eran-tany izany tsy fahampian-tsakafo izany. Na ny fomba hiadiany amin’ny mosary aza tsy voasorony mialoha, ka ny fomba fitadiavany sakafo omaly ihany no mbola ampiasainy anio. Mila ezaka anefa ity sehatry ny fambolena ity, ka hifanampy betsaka amin’io, ny serasera amin’ireny satelita ireny, sy ny fanabeazana ataon’ny teknisianina isan-karazany alefa hanoro sy hanome traikefa ny tantsaha. Hatreto maro ny manontany hoe, hiova amin’izay koa ve izany ny sata hifehy ny fifandraisana ? Mba tsy ho haino aman-jery iray no hitobaka manerana an’i Madagasikara, fa afaka hisafidy amin’izay haino aman-jery tiany ny vahoaka Malagasy. Tsy ho sehatra iray no handemy ny sainy ao, fa malalaka ny safidy, sy vaovao henony isan’andro. Izany no atao hoe serasera matanjaka, ka tsy ambonivolo ihany no ahazo fahalalahana mihaino, fa hipaka hatrany ambanivolo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS