Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 17h58
 

Malagasy

René Philippe

Sefo fokontany, mpitarika olona hatrany am-piangonana

samedi 20 septembre 2008
Olom-piangonana sy ny fiaraha-monina ny sefo fokontany.

Miainga ifotony ny fampandrosoana eto Madagasikara. Voalohany amin’izany ny sefo fokontany ka rariny raha mahafantatra ny momba azy ireny ny sarambabem-bahoaka. Tsy zoviana amin’ny mponina ao anatin’ny firaisana faha 4 ity vahiny ampahafantarina anao anio ity.

Zanaky ny boriborin-tany faha 4 i René Philippe Rakotonanahary, 51 taona, teraka tao Befelatanana, sefo fokontany Anosibe andrefana II, amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny maha sefo fokontany azy, 3 taona lasa izay, dia sehatra maro no ahafantaran’ny mponin’Antananarivo azy ka asongadina anio ny ampahany amin’izany. Nahatonga azy teo amin’io toerana sefo fokontany io ny maha filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana azy teo amin’ny fokontany, 10 taona lasa izay. Filohan’ny antoko TIM teny Anosibe andrefana izy talohan’ny naha sefo fokontany azy. Na anatin’ny antoko aza izy dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny fampandrosoana.

Mampiofana amin’ny mariazy

Isaky ny mahavita fampiofanana olona hanorina tokantrano izy, dia raisin-tanana manokana.

Nahafeno ny fepetra amin’ny fahafahana mampiofana mpivady hatao mariazy i René. Voahosotra hiandraikitra izany ao amin’ny EKAR Anosibe, anatin’ny FIFAKRI (Fiomanana amin’ny Fanambadiana Kristiana) diosezin’i Mahamasina ny tenany, efa telo taona izay. Henjana ny fepetra takiana amin’io asa ataony io toy ny fitondran-tena tsara, eo anatrehan’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana. Manambady vita mariazy tao am-piangonana, mbola tsy nisaram-panambadiana.Vita batemy, fampihavanana, Eokaristia, Fankaherezana. Tokantrano an-jatony no efa nahazo fiofanana tamin’i René.

Marihana fa vita mariazy tamin’ny faha 22 jona 1985 i René Rakotonanahary sy Ravaonoelisoa Joséphine.

Mpanao baolina kitra

Mpilalao tao amin’ny BTM Andapa, tao amin’ny « Savonnerie tropicale » ary tao amin’ny SOLIMA ny lehilahy tamin’ny taona 1980 tany ho any. Mbola manao baolina amin’ny sokajy « vétéran » izy amin’izao fotoana izao, sady miara-milalao amin’ny tanoran’ny fiangonana miaraka amin’ny zanany roalahy Tojonandrianina Serge, 23 taona sy i Tokinandrianina Ismaël 19 taona

Mpaka sary matihanina

Nandritra ny diabe tamin’ny taona 1991 notarihan’i Profesora Zafy Albert no nanombohany naka sary. Fitiavana sary no nanosika azy ka nahasahiany nividy fakan-tsary ho an’ny matihanina tamin’izany fotoana izany. Taty aoriana dia anisan’ny nahafantaran’ny mpaka sary eto an-drenivohitra azy ny fitetezany ny fiangonana na protestanta io na katolika, eny hatramin’ny fiangonana hafa aza.

Ny fampandrosoana ny tanàna sy ny fiaraha-monina no efa nimasoako hatramin’izay ary tsy hajanoko na tsy filohan’ny fokontany intsony aza aho, hoy i René namarana ny teniny tamin’ny fanadihadiana natao taminy. Mafimafy loha ny mponina entiny saingy nentiny am-pitiavana ka naha ova zavatra.

Nangonin’i HERY A .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS