Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 13h06
 

Teny zato, kabary arivo

Sasanangy roa samy hafa

mercredi 2 juillet 2008 | Naivo kely

Hifantohan’ny mpanara-baovao indray ny atsy Ejipta. Fihaonan’ireo filoham-pirenena sy manam-pahefana maro aty Afrika, ka isan’ny mandray anjara amin’izany ny filoha Ravalomanana.

Ny tena hifantohan’ny fivoriana, dia ny momba ny raharaha atsy Zimbabwe, momba ny olan’ny mpitondra sy ny mpanohitra ao antoerana. Tsy vitsy no nanambara fa mba hisoroana ny ady antrano, dia tokony hisy ny fizarana fahefana toy ny natao tamin’ireo firenena vitsy aty Afrika volana vitsy lasa izay. Firenena nahitana ady antrano, ary maro ireo namoy ny ainy, sy rava fananana. Hanaiky izany ve anefa ireo mpitondra nahazo toerana ?

Hifantoka eto amintsika ny lahatsoratra, satria tsy takona afenina, fa maro no mbola mikotrika zavatra hafa any ambadika any. Tsy ho gaga isika, raha omen’ny olona toerana ratsy ny tontolo Politika eto Madagasikara. Sasanangy roa samy hafa tokoa ny eto sy ny any amin’ireo firenena ireo, raha resaka fizarana fahefana no asian-dresaka. Saingy ny tsy tokony ho adinoina dia ny fifampiresahana tokony ho atao. Izay tsy mahay fatam-bary hono mahay sobika. Ny fandraisana andraikitra no tena zava-dehibe, fa tsy ny toerana. Io no antoka hisoroana ny ady antrano sy ny korontana lava izao. Soa aloha fa hendry isika Mlagasy, saingy ny firasian-tsaina no antoky ny fampandrosoana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS