Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h26
 

Teny zato, kabary arivo

Samy nahazo ny anjarany

mercredi 16 juillet 2008 | Naivo kely

Hitsiry indray ve ny disadisa eo amin’ny Frantsa sy i Madagasikara ? Resabe nandeha omaly teto andrenivohitra io, indrindra teo anivon’ny mpanao politika. Hiteraka olana eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta io, ka hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny toe-karena. Ity firenena ity mantsy no isan’ny mpiara-miasa voalohany amin’i Madagsikara.

Rehefa manova dia hatramin’ny farany. Teny fandre amin’ny mpitondra Malagasy io. Matoa nipetraka izay tsy fifampitokisana izay, dia ao raha. Mety hanamaloka ny fifandraisana tokoa izany, saingy hanaiky lembenana amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ve ny fanjakana Malagasy ?

Hatreto aloha, dia miha-mangatsiaka ny fifandraisana, satria ny firenena tandrefana sy ny tatsinana no hita fa mahazo vahana eto. Ny Alemana, ny Sinoa sy ny Japoney, ny Amerikana. Ireo no toa hifantohan’ny fiaraha-miasa betsaka tao ho ao. Ny mpianatra nivoaka avy any Texas aza toy ny Andriamanitra kely mihitsy ny fandraisana azy. Tsy midika io fa ratsy izany, saingy miha-manalavitra ny Frantsay ny fiaraha-miasa hatreto, na dia hambara aza fa tsy mitombina izany. Iza ary no hizaka ny faty antoka raha miha-lefy io fifandraisiana io, ny Malagasy sa ny Frantsay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS