Tsy azo antenaina ny hisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanana eto andrenivohitra. Samy malailay fonosona amin’ny mety hisian’ny fiaraha miasa ny roa tonta. Ny sefom-pokontany mbola tafajanona amin’ny toerany, dia mbola manantena ny hiverina eo rehefa tendren’ny Préfet de Police. Ny ben’ny ny tanana kosa dia milaza fa mipetraka ao amin’ireto olona notendrena teo aloha ireto ny fijerin’antoko. Isan’io ny nilazany fa raha vao lany ny tenany, ka tokony hisy ny fiaraha-miasa natao, dia nanidy ny biraom-pokontany ireto farany. Inona no atahorana ny hanendrenay ny sefom-pokontany hoy ihany ingahy ben’ny tanana Andry Rajoelina ? Na eo aza ity fifandirana ity, dia voalaza fa ny asan’ny mpanan-tanteraka tsy maintsy mitohy, ary tsy maintsy ho vitaina izay nampanantenaina. Samy mandeha samy mitady izany ny roa tonta hatreto, kanefa mino isika fa ny tombontsoan’ny tanana no iraisana.
Samy mandeha samy mitady
jeudi 21 février 2008 |
| 757 visites