Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 18h36
 

Malagasy

Asan-jiolahy

Sady nandoro trano no namono

mercredi 9 janvier 2008 | Nivo T. A. |  549 visites 

Tsy mitsitsy ain’olona intsony ny jiolahy amin’izao fotoana izao. Tany amin’ny tanànan’i Bevalokely, fokontany Antsitabe, kaominina Andriba, dia notafihan’ny jiolahy telo ny tokantrano iray, ny harivan’ny alatsinainy 6 janoary lasa teo. Mbola takariva, tamin’ny 5 ora tany ho any, no nahatongavan’ireo mpanafika tao amin’ilay tanàna. Nampiasa herisetra tokoa izy ireo satria tsy vitan’ny nandroba fananan’olona fa mbola nandoro trano sy namono olona ihany koa.

Araka ny vaovao azonay, dia novonoin’ireo jiolahy ho faty izy telo mianaka rehefa avy nodoran’izy ireo ny tranony. Ny trano lasa lavenona, ny omby vosotra efatra niaraka tamin’ny basim-borona iray nataon’ireo jiolahy najifa.
Taorian’izany habibiana izany dia lasa nitsoaka niaraka tamin’ny fananana voaroba ireo jiolahy.

Amin’izao fotoana izao moa dia mbola ifampitadiavana ireo jiolahy. Ny zandary ao ao amin’ny borigadin’Andriba no mandray an-tanana ny raharaha.