Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 18h54
 

Malagasy

Vondron’olona any Ambatomanoina

Sady mampiasa ody gasy no maka volabe aman’ny vahoaka

samedi 12 janvier 2008 | Nivo T. A. |  1025 visites 

Manampatra fahefana ireo andian-olona mivondrona ao amin’ny ZAMAMI any amin’ny kominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe.

Milaza fa hitandro ny fandriam-pahalemana eny anivon’ny vahoaka ireo andian-jatovo ireo ka manao izay danin’ny kibony. Sady hakàny vola ny vahoaka no hasainy miantoka sakafo sy vehivavy ho an-dry zalahy.

Araka ny vaovao azo dia mampiasa fanafody gasy ry zalahy mba hiarovana ombin’olona hono. Mitaky karama telo tapitrisa Ariary amin’ireo olona izay mampiantrano azy. Voalaza fa efa nahazo vola roa tapitrisa Ariary moa ireto andian’olona ao amin’ny ZAMAMI ireto. Milaza fa mahavita miaro asan-dahalo ry zalahy ary miaro ny olona sy ny fananany.

Misy moa ireo manana harena betsaka harovana ka dia nahasahy nanome volabe ho an’ireo vondron’olona ireo.

Nanoloana ity toe-javatra ity dia namory ny manam-pahefana tany an-toerana, sy ny fokonolona ny zandary ary nanentana ny olona mba tsy hampiantrano izany karazan’olona mitaky volabe sy mampiasa ody gasy izany.