Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 17h14
 

Malagasy

Antenimieram-pirenena

Rivotra hafahafa

mercredi 9 avril 2008 | Naivo kely |  758 visites 

Tsy ho ela ny fotoam-pivorian’ny depiote, hifantoka any sain’ny maro. Feo maro no mifanaretsaka andalan-tsara eny Tsimbazaza. Ny resaka fikasana hanalana ny filohan’ity andrim-panjakana iray ity dia dia efa ela no nandrenesana izany. Tsy mbola nisy fanangonana sonia momba io, fa mivoaka ny vavan’ireo depiote sendra tafajanona ao ny momba izany. Ankilany tsy taitra ingahy Sylla amin’izay mety ho ataon’ny namany. Eo ihany koa ny momba an’i Zakahely, depiote voafidy tany Mananara Avaratra. Toa hanamaloka ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity indray ny fandrenesana fa hisy depiote ho gadraina.
Ireo rivotra hafahafa ireo no hitsena ny fotoam-pivoriana ny volana May izao. Tsapa fa maro ny depiote no efa eto andrenivohitra, ary vitsy no nahavita nanao tatitra tamin’ny vahoaka nifidy azy.