Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Teny zato, kabary arivo

Ratsy angaha ny teny Gasy ?

vendredi 11 juillet 2008 | Naivo kely

Toa mampandoa ny sasany ny fandrenesana fa averina ho teny enti-mampianatra ny teny Malagasy. Fanambaniana ankitsirano ny tenin-dreny ny toy izany. Tsy vitsy no nilaza fa fanapotehana ny zaza Malagasy ny fidirana indray amin’ity teny ity.

Mahamenatra ny mandre fa tsy ho tafarina isika amin’ity fiovan’ny rafim-pampianarana vaovao ity, satria fony faha-repoblika faha-roa dia niaina tamin’io ny fanabeazana rehetra teto Madagasikara. Novaina izany tato afara, ary nahazo laka teo amin’ny sehatra maro ny teny fantsay sy ny teny anglisy. Tsy sanatria ratsy ny nahaizantsika ireo fomba fiteny ireo, saingy moa ve raha manaraka ny rivotra mitsoka manerana an’izao tontolo izao ny firenena iray, dia ny tenindrazany no natao anjorom-bala ? Tsy ny fampiasana ny teny Gasy any antsekoly akory no misakana ny tsy hianarana ny tenim-pirenena hafa. Tsy maintsy fehezina ity teny vahiny, nefa omena lanja ihany koa ny an’ny tena.

Mety hitombina ny ahiahin’ny sasany milaza fa tsy hampianatra ny zanany any amin’ireny sekolim-panjakana fanabeazana fototra ireny ny mpanam-bola sy ny mpitondra fanjakana. Fa angaha moa rehefa izay no ataon’izy ireny, dia tsy milamina izay ilay fampianarana ho an’ny zana-bahoaka ? Ny hakingan-tsaina sy ny fitojoana hatramin’ny farany ny fianarana atao no maha-tafita na tsia ny ankizy. Koa aoka tsy ny tenindrazana no atao valalan’amboa ka hampihoron-koditra antsika rehefa omena sehatra amin’ny lafiny maro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS