Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h05
 

Filazana manjo

RANOROVELO Eugenie (Tarika Vola sy Noro)


Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, no ampandrenesanay, fa ny Havana malalanay :

RANOROVELO Eugenie
(Tarika Vola sy Noro)

dia nodimandry ny Alakamisy 27 desambra 2012.

Ny fandevenana dia ho lazaina amin’ny manaraka.

AZA ILAOZANAO

Aza hilaozanao ny trano
Masoko manganohano
Miangavy anao mba hiverina
Aza hilaozanao ny ankizy
Mitady anao ambozizy
Mitadidy mitamberimberina.

Aza hilaozanao ny lasa
Fa ny zavatra voakasa
Mbola vitsy no efa vita
Aza hilaozanao ny ho avy
Efa antsika mianakavy
Angamba mety tsy ho tafita.

Aza hilaozanao ny alika
Miandry ny tananantsika
Amin’izao lohataona izao
Aza hilaozanao ny toky
Voatahiry anaty boky
Misy sora-tananao.

Aza hilazanao ry aiko
Sy izay rehetraretra tsy aiko
F’ianao no mpibaiko anay
Aza hilaozanao zahay
F’ianao mandrakizay
No hany tena havanay.

Vola sy Noro

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS