Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 15 mai 2024
Antananarivo | 05h07
 

Malagasy

Politika :

lundi 11 février 2008 |  527 visites  | Naivo kely

- Maraniharisy : Akaiky ny farany

« Tsy resy tsy miady izahay raha tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaim-paritra ny 16 Mars izao. Iza no atao lasibatra amin’ny hala-bato lava izao ». Io no nambaran’ny depiote teo aloha Maranoharisy. Nisy ny fifanarahana nataon’ny mpanohitra rehetra ny tsy handraisana anjara amin’io fifidianana io, ka hoe hianjahanja eo ny mpitondra sy ny ekipany. Tany tsy misy demokrasia eto, noho izany tsy marisika mifidy ny vahoaka, saingy rehefa mahita kosa fa misy olona afaka hitondra ny hetahetany, dia mirohotra izy, toy ny hita nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo. « Akaiky ny farany amin’ny fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ka mahareta fa tsy maintsy hisy vokany ny fahanginana » hoy ihany ity depiote teo aloha ity, satria tsy resy akory ny olo-mangina.

===========================
- Razakarimanana : Misy lanjany, saingy…

« Ny faritra no nasolo ny faritany mizaka tena, ary heverina fa misy lanjany io fa ny fanatanterahina azy no tsy mamely. Raha mihevitra ny fanjakana fa ny tena hiroso amin’ity fampandrosoana isam-paritra ity, dia tokony ho gaga mahita ny tsy fandraisan’ny antoko politika anjara amin’io. Manana ny olona mpanara-dia azy ireo antoko isan’isany ireo, ka hatraiza ny mety ho risimpon’ny tsirairay manolona izany ? Io no nambaran’ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand, izay mbola nanamafy fa mety hiena hatrany ny olona tokony handatsa-bato amin’io fifidianana ho hatrehantsika atsy ho atsy io. Kely finoana ihany koa ity Jeneraly ity ny mety mbola hisian’ny fifanatonana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra. 6 taona no nangatahana izany, kanefa tsy nisy niheno ny teo amin’ny fitondrana, izay toa midika fa izy irery no afaka mampandroso ity tanindrazana iombonana ity. Ny tsapa anefa dia reraky ny mifidy ny vahoaka, ary toa takonana lava amin’io fifidianana io ny tsy fahombiazana.

===========================
- Naivo Raholdina : Mila ampiana izay mitondra

« Tsy valifaty no tanjona fa fifanomezan-tànana. Io no tanjonay ato amin’ny FAFI V, izay fikambanana mpanao asa soa ao amin’ny boriborintany faha 5. Na nanohana ny PDS Hery Rafalimanana aza izahay, dia vonona kosa hanohana ny ezaka izay tian’ny ben’ny tanana Andry Rajoelina atao eto amin’ity renivohitra ity. Hitohy ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatajahan-tena ataon’ity fikambana iray ity ». Isan’ny nambaran’ingahy Naivo Raholdina tao amin’ny accem Radio omaly izay nambarany hatrany fa tsy afaka misaraka amin’ny politika ihany koa ny tenany na dia mpikabary aza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS