Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 16h28
 

Malagasy

Antohomadinika

Polisy iray maty voatifitry ny jiolahy

mercredi 16 janvier 2008 |  548 visites  | Nivo T. A.

Nirefotra indray ny basy, tetsy Antohomadinika, afak’omaly alina, tamin’ny 10 ora alina ho any.

Notafihan’ny andian-jiolahy nirongo fiadiana ny paositry ny polisy, etsy Antsalovana-Antohomadinika. Polisy roa lahy sy sivily iray no tao amin’ny birao tamin’izay fotoana izay. Teo am-panavaovana daomy ry zalahy no niditra ireo jiolahy ary avy hatrany dia nitifitra. Bala efatra (teo amin’ny hatony, tongotra, kibony, ary sorony) no nahafaty ny polisy iray, antsoina hoe Razafimahatratra Edmond (42 taona). Polisy iray kosa naratra mafy, voan’ny bala teo amin’ny kibony. Ilay lehilahy sivily moa dia voatifitra teo amin’ny tongony ary mbola tsy tafavoaka ny bala. Basy poleta roa moa no very tao amin’ilay paositry ny polisy noho izany.

Araka ny nambaran’ny filoham-pokontanin’Antohomadinika, Ramarojaona Théophile, dia poa-basy tsy latsaky ny enina no henon’izy ireo teny an-toerana, tsy lavitra ny tranony moa no misy ny paositry ny polisy sy ny biraom-pokontany mifanila aminy. « Noheverinay fa tohin’ny fifampitifirana teny Tsaralalàna ilay poa-basy, hoy izy, ka mbola tsy niraika izahay. Taorian’izay dia nisy nitoraka ny tafo-tranonay ary nisy niantso an-tarobia aho ».

Nony tonga tany amin’ny paositry ny polisy dia ny fatin’ilay polisy nihoson-drà niankohoka teo amin’ny gorodona no hita. Ny fokonolona moa no nitondra ilay polisy sy ilay sivily naratra tany amin’ny hopitaly.

Marihana fa polisy efatra no tokony niasa tamin’io alina io saingy niandry faty ny iray ary nandeha nivoaka nisakafo ny iray. Efa hitan’ny olona nihaodihaody teo amin’ny manodidina ny paositry ny polisy moa ireo jiolahy talohan’izao fanafihana izao.

Valifaty sa fifandrifian-javatra ?

Ny alin’ny fifampitifirana nahafaty olona roa tetsy Tsaralalàna no nitrangan’ity fanafihana polisy teny Antohomadinika ity. Velom-panontaniana ny maro hoe valifaty ve satria nahafaty olona ny polisy sa fifandrifian-javatra.

Ny tale jeneralin’ny polisy, Talbot Antonin moa dia nilaza fa ny famotorana no hahafantarana izany. « Tsy azo tsinontsinoavana izany ny mety ho fahamarinan’izany fa aleo ny famotorana no hilaza azy ». Nohamafisina avokoa moa ny fiambenana ny paositry ny polisy rehetra mba hisorohana ny tahaka ity nitranga tetsy Antohomadinika ity.

Marihina fa efa nentina any Ambalavao omaly ny fatin’ilay polisy. Tonga teny amin’ny HJRA nampahery ny fianakavian’ny maty ny fianakaviam-ben’ny polisy notarihan’ny tale jeneraly.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS