Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Teny zato, kabary arivo

Poizina hita maso

samedi 5 juillet 2008 | Naivo kely

Lasa resaka any ivelany ny sakafo eto amintsika. Isan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana io raha vao tonga avy tany ivelany izy ny alakamisy alina teo. Isan’io ny trondro sy ny anandrano eto an-drenivohitra.

Ny fanenjehana ny mpanjono etsy amin’ny ranon’i Masay sy Anosy ary ny lakandranon’Andriantany no tena nalaza, saingy mbola misy hafa ihany koa. Isan’izany ny anandrano etsy Ambodivona sy Andravohangy. Hita ho tena rano maloto avy any amin’ny lavam-piringin’olona isa-tokantrano no mifangaro amin’ny rano hiveloman’ity anana.

Inona no fepetra tokony ho raisina manoloana izany, satria isan’ny fampihinana maloto ny mponina koa ny toy izao ? Poizina hita maso io, nefa dia mbola maro no mividy sy mihinana izany. Miainga any amin’ny isam-pokontany io fandraisana fepetra hentitra io, fa tsy ho tandravaina aty ambony lava izao. Isika isan-tanàna no mahita izany. Ny fitiavan-kely toy izao no maharatsy endrika ny firenena, koa tsy ho gaga isika raha any amin’ireny toerana lehibe ireny no hifanotofan’ny olona miantsena, satria any no azo antoka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS