Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 20h39
 

Malagasy

Lalànan’ny Antoko

Omena enimbolana ny rehetra

mercredi 17 décembre 2008

Indro atolotra anao mpamaky ny Volavolan-dalàna momba ny antoko pôlitika avy amin’ny governementa.

VOLAVOLAN-DALANA MOMBA NY ANTOKO POLITIKA
TOKO VOALOHANY FEPETRA ANKAPOBENY

Andininy voalohany - Ity lalàna ity dia mamaritra ireo antoko politika eto Madagasikara. Izy no mametra indrindra indrindra ireo fepetra mikasika ny famoronana, ny fandaminana, ny fampandehanana ary ny famatsiana ara-bola azy ireo.

And. 2 - Ny antoko politika iray dia vondron olona manana drafi-piaraha-monina mazava sy miaraka mandray anjara amin’ny fiainana ara-politika amin’ny fomba demokratika ary manana fomba fijery sy tanjona politika iombonana.

Ny antoko politika iray dia mandray anjara amin’ny fametrehana ny fahavononana arapolitika sy ny fanehoana ny sadifim-bahoaka, indrindra indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena vanona sy fanabeazana ara-politika ary ny fandrisihana riy vehoaka handray anjara amin’ny fiainam-pirenena.

And. 3 - Ireo antoko politika dia afaka mivondrona.

Ny vondrona antoko politika dia ahitana antoko politika roa na maromaro izay mifanaraka, hahatratrarana tanjona politika iray ary miara-mientana manatanteraka asa iray na maromaro voafaritra. Na izany aza, dia fehezin’ny fepetra voafaritry ny lalàna izy ireo ka tsy mahazo mampiasa fomba tsy nahezoana alalana.

SOKAJY VOALOHANY
NY AMIN’NY FANANGANANA ANTOKO POLITIKA

And. 4 - Ny fananganana antoko politika iray dia tsy tokony hanohintchina ny firaisampirenena, ny maha-iray tsy hanombinana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo foto-kevitra ara-demokratika.

Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny fananganana antoko politika dia tsy tokony hiainga avy amin’ny fanavakavahana ara-piaviana, ara-poko, na ara-pinoana.

Ny isam-batan’olona irery ihany no afaka ho mpikambana amin’ny antoko politika iray.

And. 5 - Ny olom-pirenena malagasy rehetra feno18 taona, tsy anavahana ny amin’ny maha-lahy na amin’ny maha-vavy, mizaka ny zon’ny isam-batan’olona sy ny zo politika dia afaka miditra malalaka ho mpikambana anatina antoko politika iray araka ny safidiny.

Malalaka ihany koa izy hametra-pialana amin’izany antoko politika izany.

Na izany aza anefa, dia tsy misy mahezo milatsaka ho mpikambana amin’ny antoko politika mihoatra ny iray

And. 6 - Ireo tanora latsaky ny 18 taona dia afaka miditra ho mpikamban’ny rafitm anadny manokan’ny antoko polibka iray hahæoan’izy ireo fanabeazana ho olom-pirenena vanona sy fanabeazana ara-politika.

And. 7 - Ny antoko politika rehetra dia ahitana rafitra foibe, rantsana isam-paritra sy rantsana ifotony.

And. 8 - Tsy misy mahazo hofidiana ho mpikambana hitarika antoko politika iray na ny iray amin’ireo rantsany reha tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy, mizaka feno ny zon’ny isambatan’olona ary feno 21 taona fara-fahakeliny amininy vanin’andro nananganana ny antoko.

Na izany aza anefa, ny olom-pirenena feno 18 taona dia afaka omena andraihtra amin’ny fitantanana anatiny.

And. 9 - Ny antoko politika dia tsy maintsy manana foibe miavaka amin’ny fanondroana tocram-ponenana.

Io foibe io dia tsy maintsy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’l Madagasikara.

And. 10 – (…)

And. 11 – (…)

And. 12 - Ny didim-pitondrana fananganana dia tsy maintsy mivoaka ao anatin’ny roa volana aorian’ny nandraisana ny fanambarana fananganana miaraka amin’ireo antontan-taratasy mitovana aminy.

Raha tsy izany dia tsy maintsy mamoaka fampahafantarana arahin’antony any amin’ilay antoko politika voakasika fara-fahatarany dimy andro aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana roa volana ny Minisitera miadidy ny Ati-tany.
Toy izany koa ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny distrika.

Ireo antoko politika nitsangana ara-dalana dia voarahtra ao amin’ny rejisitra nasionaly izay tazomin’ny Minisitera miadidy ny Ati-tany.

And. 13 - Raha toa ka tsy nisy fampahefantarana natao tao anatin’ny fe-potoana voafaritra, dia heverina ho toy ny tafatsangana ara-dalàna ilay antoko politika. Ny Minisitera miadidy ny Ati-tany, ny lehiben’ny faritra na ny lehiben’ny distrika dia tsy maintsy memerina amin’ny laoniny ny toe-drehareha fara-fahatarany ao anatin’ny fe-potoana 15 andro. Amin’izany dia tsy maintsy mamoaka ny didim-pitondrana fananganana ilay antoko voakasika izy.

And. 14 - (…)

And. 15 - Ireto antontan-tarata sy manaraka ireto dia tsy maintsy atovana amin’ny fanambarana ny fananganana ny rantsana iray any amin’ny faritra na eny if otony : (…)

And. 16 - Ny rafitra foiben’ny antoko polibka dia ahitana fara-fahakeliny mpikambana roa ambin’ny folo voafidin’ny fivoriambe mpanorina. Ny rantsana isam-paritra dia ahitana mpikambana folo ary ny rantsana ifotony dia ahitana mpikambana dimy.

SOKAJY FAHAROA
NY ANDRAIKITRY NY ANTOKO POLI TIKA

And. 17 - Ny antoko politika dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra fisiana izay voalaza manaraka ireto raha tsy izany dia foana :
• ny fananana sata
• ny fanoratana ny antoko politika ao anatin’ny rejisitra nasionaly
• ny fametrehana drafi-piaraha-monina
• ny fametrahana lamin’asam-pirenena momba ny fanabeazana
• ny fanambarana ny fisiana isan-taona, isan’ambaratonga miaraka amin’ny filezana ireo mpikambana mpitarika
• ny fanambarana ny fiovana rehetra mitranga mandritra ny fiainan’ny antoko

And. 18 - Tsy maintsy mandray anjam amin’ny ffidianana nasionaly, isam-paritra sy ifotouy ny antoko politika. Very ny sata amin’ny maha-antoko politika azy raha toa izy ka tsy manolotra, irery na miamka amin’ny antoko polibka hafa, olon-kofidiana amin’ny fifidianana roa mifanesy mitovy sokajy. Ny Minisitra miadidy ny Ati-tany no memoaka ny didim-pitondmna mikasika ny fanatoanana ny fimketana an-tsorabra. Ny fangatahana fanafoanana io didim-pitondrana io dia mampihantona azy.

And. 19 - Adidin’ny antoko politika ny :
• mandala ny Lalàmpanorenana, ny didy aman-dalàna manan-kery ;
• manentana ny fiainana ara-politika eo anivon’ny Firenena ;
• mandray anjara mavitrika amin’ny fitarihana ny fiainam-bahoaka ;

And. 20 - Noho ny amin’ny tanjon’izy ireo, ny antoko politika dia tsy maintsy mandray anjara :
• amin’ny fampandrosoana ny demokrasia sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ;
• fanamafisana ny fahaleovantenam-pirenena sy ny rafitr a repoblikana ;
• fitandroana ny firaisam-pirenena, ny maha-iray tsy hanombinana ny Firenena sy ny maha-malagasy ;
• ny fiarovana ny fahafahana fototra sy ny zo maha-olona ;

And. 21 - Amin’ny fanatanterahana ny andraikitr’izy ireo, ny antoko politika dia tsy maintsy manohitra izay fihetsika rehetra mety hitarika amin’ny fanavakavahan-bolon-kodibra, ny fankahalana vahiny, ny fampirisihana sy/na fampiasana herisetra.

And. 22 - Ny fivorian’ny antoko polilita dia eo ambaniny lalàna manan-kery mikasika ny fivoriana ankalamanjana.

And. 23 -Tsy misy antoko politika omena alalana hanebaka na hikolokolo rafitra aramiaramila, na ny mifandraika amin’izay na izay mety ho fikambanana reheb manohintohina ny firaisam-pirenena sy ny maha-iray tsy hanombinana ny tanin’ny Repoblika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny, reha tsy izany dia very ny sata maha-antoko polibka azy.

And. 24 - Ny antoko politika dia tsy maintsy manana ireto manaraka ireto na haloa vola na tsia :
• ny toerana misy ny foibeny ;
• ny fitaovana sy kolakoja ho amin’ny fandreharahana sy amin’ny fanatanterehana ny andraikiny ;

Ireo antoko politika dia afaka ihany koa manonta izay tahirin-kevitra na gazety ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna manan-kery.

And. 25 – (…)

And. 26 – (…)

SOKAJY FAHATELO
NY FAHARAVAN’NY ANTOKO POLI TIKA

And. 27 - Rava ny antoko politika araka ireto fepetra voalaza manaraka ireto :
• ny tsy fanajana ireo fepetra fisiana voalazan’ity lalàna ity ;
• (…)
• raha toa ka tsy mandray anjara amin’ny fifidianana roa mifanesy araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 18 amin’ity lalàna ity ;
• (…)

And. 28 – (…)

TOKO FAHAROA
NY FAMATSIANA ARA-BOLA IREO ANTOKO POLITIKA
SOKAJY VOALOHANY
NY FIDIRAM-BOLAN’NY ANTOKO POLITIKA SY NY FEPETRA AHAZOANY IZANY

And. 29 - Amin’ny alalan’ny famatsiam-bolany manokana na famatsiam-bola ivelany no entiny hanatanterehan’ny antoko politika ny asany

And. 30 - Ny famatsiam-bola ivelany manokan’ny antoko politika dia azo avy amin’ireto manaraka ireto :

- ny sara-pilatsahana ho mpikambana sy latsa-kemboka aloan’ny mpikambana isan-taona ;
- ny fanomezana sy fanolorana eken’ny lalàna ;
- ny vokatry ny asa eken’ny lalàna ataon’ny antoko politika ;
- ny fanomezana an-tsitra-po avy amin’ireo mpikambana ;
- ny vola azo avy amin’ny fitantanana sy fananana irao fananana manaraka sy fananana mirahy ;

And. 31 - Ny famatsiam-bola ivelany azon’ny antoko dia avy amin’ireto manaraka ireto :
- ny fanampiana azo avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny antoko politka eto antoerana sy/na avy any ivelany ;
- ny findramam-bola araka ny didy aman-dalana manan-kery ;
- ny fanomezana sy fanolorana ;
- ny fanohanana sy fanampiana hafa avy amin’ny fanjakana ;
- ny fanohanana ara-bola avy amin’ireo mpiray ombon’antoka ;

And. 32 - Ny antoko politika no memetra malalaka ny saran’ny latsa-kemboky ny mpikambana ao aminy, ny fandraisana anjara ary ny saran’ny karatra maha-mpikambana.

And. 33 - Ny fitambaran’ny fananan’ny antoko politika, azo avy amin’ny fanomezana sy ny fanolorana dia tsy maintsy hanaovana fanambarana isan-taona any amin’ny Birao mahaleo-tena miady amin’ny kolikoly.

And. 34 - Ny fitambaran ny fanomezana sy ny fanolorana avy any ivelany, avy amin’ny isam-batan’olona, na avy amin’ny fikambanana mizaka ny zon’ny isam-batan olona ho an’ny antoko politika dia tsy mahezo mihoatra ny iray ampahatelon ny totalin ny famatsiam-bola anatin’io antoko io ho an’ny antoko politika iray.

And. 35 - Ny famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana omena ny antoko politika dia miankina amin’ny fanajana ireo fepetra fananganana sy hsian’ny antoko politika. Avo roa heny araka ny isan’ny mpikambana sy ny isam-bato azo tamin’ireo fifidianana farany ny mari-bola omena ny antoko.

And. 36 - Ny antoko izay maharakotra ny Firenena ihany no afaka mahazo ny famatsiambola avy amin’ny Fanjakana voalazan’ity lalàna ity. Tsy mahazo izany ny rantsana ifotony na ny rantsana isam-paritra.

SOKAJY VOALOHANY
NY FOMBA FITANTANANA

And. 37 – (…)

Na izany aza, dia tsy maintsy aseho amin’ny fomba mangarahara ny niavian’ny vola, ny nampiasana azy ary ny rafitra mitantana izany.

And. 38 - Tsy maintsy apetraka amin’ny fomba hentitra ny fitantanana mangarehara ny famatsiam-bola. Noho izany, ny antoko politika dia tsy maintsy mamoaka isan-taona ny tatitry ny fitantanam-bolany ao amin’ny Gazeti panjaLàn’ny Repoblika.Tsy maintsy manao ny tatitra ara-bola any amininy Ministera miedidy ny Ati-tany ihany koa izy ireo.

TOKO FAHATELO
NY FIFANOLANANA

And. 39 - Ny Filankevim-panjakàna no mahefa mitsara ny olana rehetra mitranga eo amin’ny rafitra foiben’ny antoko politika sy ny Fanjakàna.

And. 40 - Amin’ny ankapobeny, ny Filan-kevim-panjakàna ihany koa no mahefa mitsara ny fifanolanana rehetra vokatry ny fampiharana ity lalàna ity.

And. 41 - Ny paikady ampiharina dia izay voalazan’ny lalàna laharana 2004-036 tamin’ny 1 oktobra 2004 mikasika ny fandaminana, ny andraikitra, ny fampandehanana, sy ny paikady ampiharina eo anoloaniny Fitsarana Tampony sy ireo Fitsarana telo izay mandrafitra azy.

TOKO FAHAEFATRA
IREO FEPETRA TETEZAMITA SADY FARANY

And. 42 - Ireo antoko politika niforona amin’ny vaninandro amoahana hanan-kery ity lalàna ity dia tsy maintsy manaraka antsakany sy andavany ireo fepetra voalaza ao anatiny.

And. 43 - Ireo antoko na fikambanana politika izay misy ankehitriny dia manana fepotoana tetezamita enim-bolana anarahany ireo fepetra voalazan’ity lalàna ity.
Dila io fe-potoana io, dia very tanteraka ny fisian’izy ireo araka ny lalàna.

And. 44 - Ny didim-panjakàna no hametra ny famatsiam-bola voalohany avy amin’ny Fanjakana omena ireo antoko miforona ara-dalàna araka ity lalàna ity. Ny fepetra fanomezana izany izay voalazan’ireo andininy faha-34 ka hatramin’ny faha-36 voalaza etsy ambony dia tsy mbola ampiharina mandra-pahatongan’nyfifidiananamanaraka.

And. 45 - Didim-panjakana no hametra ny fampiharana ity lalana ity raha ilaina izany.

And. 46 – (…)

And. 47 – (…)

And. 48 - Havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao lalàna izao. Ho tanterahina izao fa lalàm-panjakana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS