Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 16h45
 

Malagasy

Fanabeazana

Omen-danja ny zaza madinika

mardi 10 juin 2008 | Volana R.
Tomombana ny toerana sy ny sehatra handraisana ny zaza madinika, izay hiditra hianatra afaka herinandro vitsy.

Manomboka any amin’ny mbola kely ny fanabeazana fa tsy miandry fotoana. Notokanana ny sabotsy lasa teo ny fanavaozana ny EPP ao Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitra Talatavolonondry, distrika Avaradrano.

Afaka mandray mpianatra 200 ankehitriny ny toerana, raha ohatra ka 83 ihany no afaka namonjy ny dabiliom-pianarana teo aloha. Efitra fianarana ahitana famakiam-boky, efitra manokana ho an’ny zaza madinika ary dabilio sy latabatra, boky ary toeram-pilalaovana no norafetina, niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka Rotary Club Vovonana, ny fikambanana Madagascar Hilfe ary ny Holcim, nahavitana ny asa rehetra. Mitentina 33.000 euros ny tetikasa.

Ankoatra ny ao Ambatomitsangana, dia ny ao Ambohidrano Andrefana ihany no manana EPP mandray zaza madinika, anatin’ny CISCO Avaradrano. « Natao izao asa izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Rotary Club Vovonana, mba hahafahan’ny ankizy mianatra anaty tontolo iainana mampisava ny sainy ka hidirany mora anatin’ny fiaraha-monina ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS