Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 08h20
 

Malagasy

Fanampiana avy amin’ny Faritra Analamanga

Olona 500 isaky ny distrika no indray faly

mercredi 25 juin 2008 | Volana R.

“Mirary ny rehetra hanao fety sambatra” ny Faritra Analamanga. Nisy fanampiana ireo sahirana manerana ny distrika enina, ka olona 500 isaky ny distrika no nahazo izany. Vary 100 taonina, lafarina 200 lasaka, menaka 500 litatra ary voanemba no nozaraina omaly sy anio.

Omaly dia nitondra ny tsirambin’ny tànana ny delegasion’ny Faritra, tao Antohomadinika (kianja Ramanandraibe), ary samy nahazo vary 4 kilao isan’olona, menaka, voanemba, siramamy, savony, voamaina.. Tsy diso anjara ireo zokiolona teny amin’ny “Foyer de Vie” Andrainarivo ka nomena solombodiakoho Ar 3000, ankoatra ny fanomezana. Toy izany koa ny tao amin’ny Hopitalin’ny Ankizy Tsaralalàna, ny Fitaizana zaza kamboty “Topaza” Fjkm Ambohimitsimbina, ny fonja Anjanamasina sy Antanimora. Nahazo arendrina tsirairay ny ankizy tamin’izany.

Ho an’ireo distrika rava voly vokatry ny havandra kosa dia vary fotsy 1400 lasaka no nozarain’ny Faritra ho fankaherezana azy. Mitohy anio eny Manjakandriana ny dian’ireo delegasiona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS