Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Malagasy

Fianarantsoa : Fahasalamana

Olona 16 vita fandidina momba ny taolana

mercredi 3 décembre 2008 | RAW

Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nisy hetsika nataon’ny mpitsabo tao amin’ny Foibe Dioseza momba ny Fahasalamana (CDS) tao Ambatomena Fianarantsoa. Nifarimbona tamin’izany hetsika izany ireo mpandidy sy manampahaizana isan-tsokajiny avy any Italia sy avy ao Antsirabe. Olona 16 no natao fandidina momba ny taolana tao anatin’izany hetsika izany. Amin’ny tapaky ny volana desambra izao no tohiny, hizahana ny fivoatry ny fitsaboana natao tamin’ireo marary.

Efa tamin’ny taona 2005 no nitsangana ity CDS ity. Fikambanana maro no miara-miasa aminy, toa ny avy any Frantsa izay mitsabo ny fahasembanan’ny taolana (chirurgie orthopédique) sy ny avy eto an-toerana ihany koa.
Amin’ny volana febroary 2009 dia fantatra fa hisy fitsaboana ny maso toa ny katarakta.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS