
Photo : R.Rambelomana
Araka ny nambaran’i Gégé dia « ny vola no tsy ampy raha ho an’ny mpamokatra sarimihetsika eto an-toerana satria raha ny mpilalao malagasy hoy izy no alefa hilalao film any ivelany ka hiara hilalao amin’ireo mpilalao vahiny malaza dia tsy hitany izay mety elanelana. » Tsy ny filalaovana no olana amin’ny malagasy fa ny vola ho entina manatanteraka no tsy ampy ka izay no mbola tsy maha matianina tanteraka ny filma malagasy amin’ny ankapobeny.
Toro hevitra
Vita ny alarobia maraina lasa teo tao amin’ny CEMDLAC Analakely ny fihaonan’ilay mpilalao sarimihetsika vahiny tsy zovina amin’ny maro, Jim Carrey tamin’ireo mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika malagasy. Anisan’ireo nanatrika sy nitondra fitenenana tamin’izany i Gégé Rasamoelina izay sady mpilalao no mpamokatra. Araka ny nambarany dia nanome toro hevitra teknika vitsivitsy an’ireo ao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika i Jim Carrey.
Toerana mahafinaritra
Tamin’io fotoana io koa no nanararaotan’ireo trano mpamokatra nanomezana azy ireo vokatra Vcd vitsivitsy novokarin’izy ireo ka nampanantenan’ity mpilalao vahiny ity fa hanokanany fotoana ny fijerena azy ireo. Araka ny nambarany ihany dia tsy nazoana nametraka fiaraha-miasa tena matotra aloha ity fiahaonana ity satria tsy dia ny sarimihetsika loatra no nahatongavany teto. Nanambara koa moa i J.Carrey fa nahita toerana mahafinaritra azy izy eto amintsika ka izay no antony mety hiverenany eto Madagasikara anaovany ny sarimihetsika hilalaovany manaraka.
Navalona Rakotoaritiana