Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Malagasy

Vaky trano teny Ivato

Ny olon-tiany ihany no nahavanon-doza !

jeudi 21 août 2008

Ny nantenain-kanirina indray no nampivandravandra ! Mety hamadika ihany koa ny olon-tiana ! Tovolahy iray monina ao Ivato no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny halatra nataony tao an-tranon’ny sakaizany, ny alatsinainy hariva lasa teo. Nobatainy tamin’izany ny vata fahitalavitra sy ny « lecteur VCD » tao amin’ity trano ity.

Raha ny vaovao voaray, dia tonga tao amin’io sakaizany io ilay tovolahy ny atoandron’ny alatsinainy. Samy monina eny Ivato mantsy izy roa ireo. Fombany ny mangatangataka amin’io olon-tiany io. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia tsy nahafa-po azy ny navalin’ilay tovovavy ka namoronany hevi-dratsy. Nasain’io tovovavy io nody mantsy ny tenany, satria handeha hiasa izy. Efa nohidina avokoa ny varavarana rehetra tao an-trano tamin’izany. Raha iny mbola variana nikenonkenona tany amin’ny efitra hafa anefa ratovovavy, dia nararaotin’ity olon-tiany novahana ny hidim-baravaran-kely. Mody niara-nivoaka tamin’ity sakaizany ity ilay tovolahy, saingy nanao tampody fohy, ka teo amin’io varavaran-kely io izy no niditra naka ireo entana voalaza ireo.
Fantatr’ilay tovovavy avy hatrany anefa nony tafaverina ny tenany fa ity lehilahy sakaizany ity no nangalatra ireo entana, ka tsy niandry ela, dia nosamborina tany an-tranony izy, ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Efa tsy misy azo atokisana intsony mihitsy ny olona ankehitriny, satria na ny olon-tiana aza, sahy mivadika tsotra izao. Ny fahamailoana amin’ny zava-drehetra no hany afaka hisoroka ny loza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS